Paul Andria

Teraka tamin’ny Febroary 1955 tao
Vohimarina Lamosina Fianarantsoa, nianatra tao amin’ny Lycée Raharivelo
Ramamonjy  Fianarantsoa sy tao amin’ny
Semipi (sekoly miaramilam-pirenena),  Bac
1974, nianatra tao amin’ny Université Bordeaux II, faculté de Pharmacie France
sy Ecole de Santé Navale , niofana ho Docteur en Pharmacie. Nipetraka sy niasa
tao Bordeaux, Paris, Chateaurenard (Loiret) ary avy eo dia nifindra any
Angleterre hatramin’ny taona 1999.

Mipetraka ao Hillview, Woking, Surrey ary
miasa Pharmacist Manager ao Horsell.

Ny adiresy mailaka dia andriapaul@hotmail.com

Paoly Randria no solon’anarana nampiasaiko
taloha fa rehefa nifanena tamin’Atoa Roger Gicquel (journaliste, présentateur
TV) aho tamin’ny 1990 sy 1991 fony izy namoaka ny bokiny “comment le dire: poèmes
et chansons” tamin’ny festival niarahanay nandray anjara dia nanapa-kevitra aho
fa hanao toa azy ary ny anarako ihany no hampiasaiko.

Nandray anjara tamin’ny
“festival de poésies sans frontières” tao Bordeaux/Aquitaine tamin’ny taona
1990 sy 1991.

Nandray anjara koa tamin’ny fifaninanana
« concours littéraire de poésies » de l’association des artistes et
auteurs Ardennais izay nantsoana hoe=Prix de poésie Roger Kowalski 1991 ary
sokajy « poèmes classiques ou libérés » no safidy nalaiko.

Nandray anjara tamin’ny « festival
MELA=musiques ethniques librement aménagées » tao Bègles/Bordeaux tamin’ny
taona 1991 ary Madagasikara no firenena nomena voninahitra ka ny lafiny
« poésies » sy « contes » no nosahaniko.

Membre ny association la Licorne tamin’ny
taona 1989-1992, izy io dia fikambanana mampahafantatra ny « contes,
poésies et légendes du monde entier » tao Bordeaux/Aquitaine.

Niara-niasa tamin’’i Mathieu Alain
(mpanoratra tononkalo frantsay) monina ao Chateaurenard fony izy nanao
« Exposition de poésie libre » tamin’ny taona 1998.

Nanomboka nanoratra « poèmes »
hatramin’ny taona 1972 ary misy 105 ny isany tononkalo hatramin’izao ary ny
ankamaroany dia amin’ny teny frantsay.

Betsaka ny mpanoratra mahaliana ahy ary
sarotra ny milaza hoe iza no tena tiako fa 
raha ohatra ka tsy maintsy misafidy kosa dia J.J. Rabearivelo, Rado,
Verlaine ary Léopold Sedar Senghor no anisany novakiako matetika.

Efa misy drafitra vita ny momba ny asa
an-tsoratra nataoko fa mbola tsy navoaka boky.

Ny faniriako dia ny mba hifanakalo hevitra
amin’ny mpanoratra malagasy na vahiny na inona na inona no teny ampiasaina  ary koa ny mba ahafataran’ny mpamaky ny
zava-bita. Rehefa vita mantsy ireny tononkalo na tononkira ireny dia tokony ho
zaraina satria fifanakalozana hafaliana, fanantenana, fitiavana, fahoriana ka
sarotra kobonina ho anao irery ihany satria mafy loatra ny onjany ary izay
angamba hoy aho no maha poety ny poety fa tsy manoratsoratra foana izy
ireny .

Toy ny zaza nateraka ny tononkalo ka
sarotra ny misafidy ny iray ao anatin’ny maro satria samy misy fitiavana sy
fihetsaham-po daholo ny namoronan’azy ireo ary nandany fotoana sy fandavan-tena.
Koa satria tsy maintsy manolotra tononkalo iray dia « aubade à l’indifférence »
no omeko anao. Amin’izao fotoana sarotra sy sahirana izao dia samy mitady izay
mahasoa azy ny tsirairay ary tsy miraraha ny olon-kafa intsony fa mody tsy
mijery ary tsy mahafantatra ny fahorian’ny sasany .

Aubade à l’indifférence

L’implacable mutisme a raison du plus fort,

Inébranlable dans la tour d’ivoire, tu as
tort !

Tort de t’acharner ainsi à jouir de son
sort,

Tu le malmènes dans son seul désir
d’exister

Ne serait-ce qu’un instant, sur lui déposer

L’ombre d’un regard ne serait que charité

Ton esprit déforme et il transforme en
aumône

L’espace d’un moment, ô Dieu…qu’il te
sermonne !

Ne vois pas, « regarde » autour
de toi, pardonne !

La rage de vivre n’a jamais été loi,

Et elle ne justifie pas le manque
d’émoi !

N’oublie jamais qu’une reine a toujours un
roi

Ouvre grands les yeux sur ce monde qui
t’entoure,

Goûte la saveur des parfums de chaque jour,

Laisse battre ton cœur à l’unisson de
l’Amour

Ressaisis-toi encore, il n’est jamais trop
tard

Et seul l’esprit étroit ne pourra changer
car

Nulle âme ne saurait animer un tel
regard  

Paul Andrianantenaina