Psico: Fisaorana ho azy

 

"FISAORANA HO AZY" no raki-kira faharoa nataon'i Psico izay niarahany  niasa tamin'ny Asaph, Vanilla, Miora Girardin, Tadio, Lahfan, Pierrot, Sando ary Eric.

Misy hira 10 ao anatin'ny raki-kira izay novokarin'ny Bil Studio Ankorahotra efa niara-niasa taminy tamin'ny famoahana ny raki-kira voalohany ihany koa. Psico irery ihany moa tamin'ity no nandray an-tànana ny famoronan-kira ary efa eo andalam-panatontosana ny clip ao amin'io raki-kira io ry zareo amin'izao fotoana izao. 

Anisan'ny hafatra ampitaina ao anatin'ity raki-kira ity ny fisaorana ilay nahary amin'ny zavatra rehetra atao. "Na aiza misy anao, dia tsarovy fa eo anilanao mandrakizay izy."