Radio Echos du Capricorne

 

 

Rehefa niato avy mba naka aina, niala sasatra nandritry ny roa volana mahery, ny fandaharana Echos du Capricorne, dia hiverina kosa indray amin'ny alarobia faha 10n'ny volana oktobra izao. Toy ny mahazatra hatrizay efa 14 taona nisiany raha ny taty Parisy fotsiny izay, dia miompana amin'i Madagasikara sy isika mponina ao, sy avy ao, momba ny lafim-piainana rehetra no resahina ao mandrakariva. Amin'ny teny gasy sy frantsay ny fandaharana.

Mitantara ny momba ny Echos du Capricorne i Claudia Solofolandy.

Lahasa sahanina maimaimpoana ny fanaovako, fanaovanay radio hatramin'izay ka hatrizao. Voatery asiako fanamarihana manokana dieny miantomboka io mba hanalana ny hevitra diso fa hahazoana tombontsoa ara-bola, sy handraisana tambiny na karama ny ao amin'ny Echos du Capricorne. 

Torak'izany koa ny nanaovako radio tany Marseille sy tany Toulouse fahiny. Tsy nazahoana n'inon'inona. Satria tsy izany no tanjona sy nahamendy. Ny any am-paosy no mivoaka, satria mianto-tena amin'ny fitaovana sy fandoavana ny saram-pandraisana anjara.

Radio tsy manao dokam-barotra no nisy ahy foana. Tsy mivarotra ary tsy mampandoa vola ny mpivahiny. Ary indrisy, izany tsy fisian'ny tombotsoa izany aza, angamba, no mahavitsy ny fifandraisan-tànana, hitàna andraikitra avy amin'ny ankamaroan'ny manodidina, izay matetika andrandrainay ka hiantsoanay ho namana mbetika etsy sy eroa. Betsaka no manaiky ary tonga fa maro no mihemotra rehefa mahita ny anaty vilany sy tena fandehany marina. Tsy misy fiderana, fankalazana, na fanomezana voninahitra arahina hoby sy tehaka mba azo rahateo koa mantsy.

Mazava ho azy izany fa karazan'ny fanoloran-tena no nahatonga nanaovako azy io. Ary hijanonan'ireo mpiara-dia amiko ireo hatramin'izao.

Tamin'ny mbola lafo vidy sy sarotra ny fifandraisana an-taribihy tamin'i Madagasikara sy tamin'ny mbola tsy nisy ny internet no efa nanomboka nanao radio izaho manokana. Tsy nisy afa-tsy original sy copien'na K7 vitsivitsy tamin'izany fotoana izany no teo am-pelatanana, zara raha nanana disques 45 sy 33 tours, dia boky malagasy nampiasaiko tany am-pianaranay taloha no nafarana tamin'ny fianankaviana ... nitantarana angano sy niantsàna tononkalo ary namakiana lahatsoratra. Nandray gazety avy tany Madagasikara isankerinandro ary indraindray hitondran'ny havana laharana gazety isan-karazany koa, dia ireo no nentina nanatanterahana fandaharana.

Ny noraisina ho adidy, niandohana tamin'izany, dia ny mba mizara ny kely nananana, mifandray amin'ny mpiray tanindrazana, ary manantena fa izany no hampiakatra ny hambom-po maha-malagasy, nohon'ny fahalalany bebe kokoa ny tenany sy ny malagasy manodidina azy. Avy amin'ny fampitàna vaovao, fitenenana teny malagasy, filazàna zava-misy samihafa, no nantenaina izay mba hieritreretan'ny mpihaino fa tsy very loatra izy na dia lavitry ny tanin'ny tena aza. Dia izany koa no tao an-tsaiko, tsy misy irery, fa dia eo, misy miasa, ambadika, ivelan'ny fisehosehoana, ao amin'ny radio, ho an'ny mpiara-belona.

Ao dia ao ny fitiavana mifandray aman'olona isan-karazany, ary izany dia tanteraka sy nangalàna tsirony noho io raharaha io. Manararaotra koa amin'ny radio, mampahafantatra ny Malagasy, manadihady azy na mpandalo izy na mponina,  rehefa izy aty ampitan-dranomasina. Raha ny sitrapo dia mba olon'ny fo sy fanahy no hifaneraseràna...

Mahagaga ahy matetika, fa ny olona avy any Madagasikara, sendra mandalo aty, no mahatsiaro faly, sambatra sy mirehareha kokoa ny amin'ny fisian'ny fandaharana malagasy aty ivelany, noho isika malagasy aty. Ataoko fa tsy tsapan'ny malagasy aty ivelany loatra angamba izany fahasarotan'ny fandrindrana sy fanatontosana fandaharana mandavan-taona ary ny sandan'izany eo amin'ny fiainanay mpandraharaha azy, zefaran'ny lanjan'ny fandaniana haterak'izany.

Ankehitriny efa maro sy ary fomba tokoa ny fitaovana isankarazany hahazoana ny vaovao izay mahaliana sy izay tiana rehetra mikasika an'i Madagasikara. Tokony efa hisotro ronono sy hiato, haka aina ny tena, anefa mbola mino sy miniana milaza sy manambara fa vao maika aza ilaina foana ny hisian'ny radio sy izay fomba rehetra afaka hanehoana hevitra miavaka, indrindra ho an'ny aty ivelany, izay manaiky hihaino azy, ka manaparitaka tsy misy fepetra ny momba ny fahendrena malagasy sy ny hetsika samihafa karakarain'ny malagasy ary izay fomba rehetra azo hanandratana an'i Madagasikara sy ny mponina avy aminy.

Manana fitaovana aho eto am-pelatananay, ampiasaiko malalaka tokoa, ampanetre-tena, hanomezana fitenenana ireo izay vonona sy mazoto ny ampiasa azy, ireo izay tia mizara, ireo izay manak'ambara, ary ny rehetra hafa koa...

Ny mpandimby tsy mety misy, mba hahafahana miala, fa zara aza moa misy ny mitselika, manampy trotraka, maharitra na vetivety. Mitondra anjara biriky, manamafy, mifampianatra ary mampifameno ny banga ka mitentina ny madilana. Ary dia hisaorana eram-po eran-tsaina tokoa izy ireny, fa raha tsy izany, tsy naharitra toy izao ny fanatontosana ny fandaharana sarobidy sy tsy hitsanganako ho menatra hatrizay ka hatramin'izao io.

Ho samby anaty mahasoa sy mahafinaritra hatrany isika avy.

 

Claudia Solofolandy  
27, rue de la Gare - apt 7501
94230 Cachan

"Echos du Capricorne" - mercredi 20h30-21h30 
"Zooma Capricorne" - vendredi 05h-07h 

Madagascar sur les ondes parisiennes

Fréquence Paris Plurielle 106.3 MHz  FM

Relations auditeurs : 09 54 63 27 99

Emissions en direct Echos du Capricorne : 06 62 67 68 31

Sites webs 

http://echoscapricorne.org  : tranokalan'ny fandaharana EDC - Site officiel des émissions Echos du Capricorne 

http://rfpp.net : Radio Fréquence Paris Plurielle Mpampiantrano - Média hôte 

http://radio.toile-libre.org:8000/fpp.mp3  : fihainoana mivantana -  Streaming live 

http://emap.fm/ondemandpart.php?id=13  : tahiry mirakitra ny fandaharana rehetra - Productions et archives des émissions malagasy

imailaka : info@echoscapricorne.org

 

Studio pour le direct : 

tous les mercredis 20h30 à 21h30
1, rue de la Solidarité - 75019 Paris 
M° Ourcq (ligne 5) ou Danube (ligne 7bis)