Raiamandreny Mijoro : 07 Jona 2010

Ny raiamandreny Mijoro sy ny komity mpikarakara ny
fantontosana ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena izay
nokasaina hatao
ny ny 8 - 9 - 10 jona 2010 sy manomboka ny 14 Jona 2010 izay nivory ny
faha 7 Jona 2010 rehefa nihaino sy nifampidinika tamina sokajin'olona
maro, na
mpanao politika, na fikambanana na olon-tsotra dia nanamarika fa :

  • tokony
    hiainga avy any ifotony ny fifanakalozan-kevitra sy ny dinika momba
    ireo
    lohahevitra izay haroso aroson'ny komity mpikarakara,
  • nahatsapa
    fa mbola maro ireo fanatontosana sy fifandresen-dahatra atao
    amin'ireo
    ankolafin-kery politika maro samihafa sy ny fiarahamonim-pirenena
    sy
    iraisam-pirenena
  • nahatsapa
    fa ilaina ny hampirindra sy hampilamina tsara ny fahazoan'ny
    Malagasy tsy
    ankanavaka maneho ny fahavononana hiara-midinika dia nanapa-kevitra
    fa  ahemotra ireo daty voatondro fa
    hanaovana ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena
  • Atao
    eny amin'ny distrika 119 ny dinika santatra  izay
    saika hatao eo amin'ny
    renivohi-paritany teo aloha

Araka izany, dia ahemotra ireo daty voalaza teo
aloha ary
hambaranay aoriana ny daty vaovao

Manainga sy manentana ny Malagasy rehetra ny
Raiamandreny
Mijoro sy ny komity mpanomana mba hifampidinika manoloana ny
raharaham-pirenena
ankehitriny

Fanazavana nentin’ny Pastora Ramino Paul: Ny
zavatra
voalohany eto dia ny hoe 'Feuille de Route' navoakan'ny
fanjakana, ka
ahoana ny amin'izany?

Ny zavatra lazaina amintsika mianakavy dia izao :
manana adidy ny fitondram-panjakana hilaza izay heveriny fa handaminana
ny
raharaha. Eny, hatramin'ny
daty antsipirihany aza. Nefa raha najoro ny Raiamandreny Mijoro dia
nomena
andraikitra mba hiantso sy handrindra ilay fihaonambem-pirenentsika ary
mba
hampahomby izany fihaonambem-pirenena izany sy ny dinika santatra
rehetra. Izay
hampahomby an'io no hatao. Ka nandinika tokoa izahay ary nomena
andraikitra mba
handamina.

Noho izany,
izao zavatra ambaranay izao, dia tsy hoe zavatra ataotao foana, fa izay
zavatra
hahasoa sy hahatsara ny hivoahantsika amin'izao krizy izao.

Ka misy
tokoa ny fihainoana ny raiamandreny nefa koa misy ny dinika efa mba
nifanaovana
ihany koa hoe mety tsy ho tratra, aloha loatra io daty io ka omeo
andraikitra
izahay an, omeo fahafahana izahay mba handinika hahatonga ilay
fihaonambem-pirenena sy dinika santatra mba hahomby.

Ka izay
fahombiazan'ny dinika santatra izay...izay fahombiazan'ny
fihaonambem-pirenena
izay, izay no zava-tokana izao kendrentsika Malagasy rehetra

  Ny manaraka
dia 'hatao alohan'ny 26 Jona': tadidio, fa na izahay izao aza,
izahay
Raiamandreny Mijoro izany, taorian'ny fihaonanay voalohany dia
nanapa-kevitra
mihitsy hoe mba ataovy alohan'ny 26 Jona

ny
fahatanterahan'ny fihaonambem-pirenena. Hevitra avy aty aminay koa
izany. Ny
antony moa dia hoe mba alohan'ny fety dia tena mazava ny zavatra
rehetra.
Kanefa dia tsy manolotra daty aloha izahay izao, hoe tazonina foana fa
alohan'ny faha 26, tsy manolotra an'izany intsony izahay, fa ilay
nolazainay
teo dia mitombona: 'araka izany dia ahemotra ny daty voalaza teo aloha",
na dia ny voalazanay aza.

Ahemotra fa
mahazo matoky ianareo fa hambaranay aoriana ny daty vaovao. Hisy izany
io an,
angamba amin'izay fotoana izay tsy ho daty fotsiny no hambarnay fa ny
antsipitsipirihan-javatrany amin'ny fihaonambem-pirenena sy ny fihaonana
santatra, miaraka amin'ny daty, fa izao aloha izao amin'ny fihaonantsika
izao
aloha, raha ilay daty taloha mantsy  dia
raha teo anie dia efa nisy ilay izy e!

Ny zavatra
farany dia tahaka an'izay ihany koa ilay hoe 'miova ve ny 12
Aogositra...'
Izany an, tsy maintsy misy dinika izay hatao. Mety hisy koa fanambarana
mety
hikasika an'izany daty rehetra rehetra izany. Satria tsy misy zavatra
hoe natao
hisavorovoro akory.

Fa natao ho
fandaminana daholo izany zavatra izany