Rinah Rakotovao sy ny angorodaony no ambasadaorontsika any amin'ny Internationales Akkordeon Festival.

 

 

Isan'ireo 5 voafidy tanatin'ireo mpitendry angorodao maro eran-tany i Rinah Nirinambinintsoa Rakotovao ka hitondra avo ny mozikan'i Madagasikara any amin'ny andiany faha-9 amin'ny Akkordeonale - Internationales Akkordeon Festival izay hanomboka ny 19 aprily ho avy izao ao Allemagne ary hitety faritra maro mandritra ny iray volana eo  ho eo. Ankoatran'i Madagasikara dia voasolo tena ao koa i Allemagne, France, Russie, Ecosse ary Pays-Bas.

Kabosy sy aponga no tena nanombohan'i Rinah  fa teo amin'ny faha-23 taonany izy vao nanomboka nirona tamin'ny angorodao ary havanana tokoa eo amin'ny bà gasy sy ny gadon-kira betsileo, izay faritra fiaviany. Tao amin'ny tarika ZMG ary efa niara-nanao mozika tamin'ny tarika Oladad sy i Zazasoa ihany koa i Rinah.

 

Ato avokoa ny fampisehoana hahitanareo azy ka mba hotrony izy raha sendra mandalo tsy lavitra anareo : Programm 2017 - Akkordeonale

 

 

 

 

 

 

 

 

Rondro Volantsoa