Six poetes malgaches d'expression malgache

Resadresaka momba ny boky :

« Six poètes malgaches d’expression malgache »

 

Tsy zava-baovao eo amin’ny haisoratra malagasy ny fandikana
tononkalo. Ny Baiboly no boky voadika tamin’ny teny malagasy voalohany tany
amin’ny taona 1820 ary ahitana ireo tononkalo nanohina tokoa ny fon’ny Malagasy
tao amin’ny boky samihafa raketiny toy ny Salamo, ny Ohabolana, indrindra ny
Tononkira dia Tononkira. Nony tonga ireo mpikaroka vahiny dia niezaka nandika
kosa tamin’ny teny anglisy na teny frantsay ireo tahirin-drazana malagasy toy
ny angano na ny hainteny. Ny tena tsaroantsika matetika dia ireo fandikana
nataon’i Jean Paulhan tany amin’ny taona 1912 ny hainteny merina. Azo lazaina
fa nijanona teo amin’ny sehatry ny fikarohana anefa mazàna ny fandikana ireo
vako-drazana ireo, fa ela taty aoriana vao nisy ny poety malagasy nandika tamin’ny
teny frantsay ny tena tononkalo malagasin’ny vanin’andro vaovao. Ny isan’ny
voalohany tamin’ireny mpitari-dalana ireny dia Jean-Joseph Rabearivelo izay
nandika ny asa soratry ny namany sy ny azy manokana, tsy tamin’ny teny frantsay
ihany fa tamin’ny teny espaniola ihany koa. Mipetraka mandrakariva ny
fanontaniana hoe : Nosoratany tamin’ny teny malagasy ve vao nadikany tamin’ny
teny frantsay ny bokin-dRabearivelo toy ny Saiky-Nofy (Presque songe), Nadika
tamin’ny alina (Traduit de la nuit) sa ny mifanohitra amin’izany ?

 

Taorian’ny boky navoakan’ny mpampianatra Solotiana
Nirhy-Lanto Ramamonjisoa tamin’ny taona 2001 ahitana ny tononkalon’ny poety telo dia
Jupiter, Bruno Rahaingo ary Ny Malodohasaha, dia vao tsy ela kosa isika no
nahita ny tononkalon’i Georges Andriamanantena (RADO) voadika amin’ny teny frantsay. Fandikana nataon’ny mpanan-talenta vitsivitsy
izay samy manana ny maha-izy azy. Ny ezaky ny mpandika dia ny hampahafantatra
ny mpamaky vahiny ny haren-tsoratra malagasy mendrika ho fantatr’izay rehetra
liana amin’ny haisoratra eran-tany.

 

Raha nandika ireto tononkalon’ny poety malagasy vitsivitsy
ireto izahay (Georges Andriamanantena (RADO), Jean-Joseph Rabearivelo, Ny Avana
Ramanantoanina, Jean Verdi Salomon Razakandraina (DOX), Randja Zanamihoatra,
Samuël Ratany) dia ho enti-manohy ny ezaka efa natomboky ny mpikaroka ary
tafiditra ao amin’ny fototra ijoroan’ny fikambanana UPEM-Havatsa hatreny
am-piandohana dia ny hampahafantatra ny haisoratra malagasy aty ivelany.  Kanefa na izany aza no hita ao amin’ny teny
fanolorana dia natao indrindra koa ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ny
fandikana. Hanampy amin’ny fahazoana ny tononkalo malagasy ny fahitana ny
dikany amin’ny teny frantsay. Na dia fantatra aza, ary zarainay tokoa ny
filazana hoe : “Mandika dia mandiso” (Traduire c’est trahir), kanefa izay
iezahan’ny mpandika rehetra dia ny tsy hanalavitra ny hevitra sy aingam-panahy
fonosin’ny tononkalo adikany ny fandikany.

Napetraka taminay ny fanontaniana hoe : Nahoana no ireo
poety ireo no nofinidy ho adika ?  Antony
roa no azo avaly izany amin’ny teny tsotsotra. Safidy manonkan’ny mpandika ary
satria koa ireo no isan’ny poety malagasy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy
indrindra raha araka ny fahalalanay. Satria maro koa ny poety hafa mendrika ho
adika  kanefa voafetran’ny pejy. Ny
fanontaniana faharoa dia hoe : Mitovy avokoa ve ny fomba entina mandika ny
tononkalon’ny poety tsirairay ? Araka ny hevitray manonkana dia tsy mety raha
toe-tsaina na toe-po mitovy no andraisana ny tononkalon’ny poety samihafa koa
tsy maintsy ampifanarahana amin’ny fomba fanoratry ny poety tsirairay arak’izany
ny fandikana ny tononkalony.

Manantena izahay fa hitondra fanampiana na dia kely monja
aza ho an’ny mpikaroka sy ny manan-talenta amin’ny fandikana ity boky kely ity,
izay toy ny sava ranonando ihany, ary indrindra hampitombo ny fankafizan’ny
Malagasy ny tononkalo voasoratry ny poety mpiray firenena aminy satria fomba
tsotra no azontsika hisarihana ny hafa hamaky ny tononkalo voasoratra amin’ny
tenindrazantsika dia ny fampianarana azy hiteny malagasy na koa ny fandikana
mba ho azony ny asa soratra tiantsika hovinakiny.

 

Ny boky dia azo hafarana any amin-dRamatoakely Miora Lala Andrianaivomanjato
(Andamioly) : andamioly@gmail.com na ao amin'ny www.shop.serasera.org, na ao amin’ny foiben’ny UPEM-HAVATSA Frantsa,
2 rue Mozart 92220 BAGNEUX ary 15 euros no sarany.

 

François-Xavier Razafimahatratra

 


.- Anthologie bilingue de
littérature malgache  Ed. l’Harmattan
Paris

1.-  « Fiteny roa En deux langues »
poèmes de Georges Andriamanantena  Imprimerie NEWPRINT Ankorondrano Madagascar 2005.