Tarika Tija

Tarika Tija

Tamin’ny
Novambra 2009 no niforonan’ ny tarika Tija teto Minneapolis, tao aorian’ny
resaka izay nifanaovanay mpinamana 3 izay samy tia mozika. Izaho Tija irery no
Malagasy no sady mpihira fototra ao anatin’ny tarika, ny 2 sisa dia mpitendry maty
hanina samy avy Japana fa manambady sy mipetraka eto Etazonia avokoa.

Matetika manao
cabarets na gigs (hoy ny Amerikana) izahay any amin’ireny restaurants, coffee
shop ary fiangonana ireny, manao hetsika 5 isan-taona eo farafahakeliny ny
tarika. Tamin’ny taona 2010 dia namoaka ny rakikira voalohany izahay, Blue, izay
misy hira 8: Beautiful Autumn Day, Blue, La Fantôme du TGV (izay tsy misy
idiran’ilay antoko politika Malagasy mihitsy akory), Persimmon Tree, Quaint
Sleepless Night, Rainy Day In Minneapolis, Winter Tears ary Your Unfailing
Love. Hira 2 amin’ireo dia nosoratan’i Tija R. ary ny ambony dia nosorotan’i
Jun S.  izay sady mpitendry gitara, basista
no mpiandraikitra ny tarika amin’ny ankapobeny ankoatr’ilay La Fantôme du TGV
izay nosoratana profesora mozika Amerikana izay nipetraka tany Frantsa tamin’ny
fahazazany.

Amin’ity taona
2013 ity dia mikasa ny hamoaka ny album faharoa ny tarika, album izay hisy hira
2 amin’ny teny Malagasy nosoratan’i Raozigasy. Dia hisaorana manokana izy ny
amin’ny tsy fisalasalana amin’ny fiaraha-miasa.

I Tija koa dia
fantatra amin’ny fitiavany miara-mihira, manao interpretation (cover) irery na amin’ny
namana maty hanina na tsia avy any ivelan’ny firenena izay misy azy ankehitriny
na eo an-toerana ihany koa.

Ny tanjon’ny
tarika Tija dia ny fizarana ny kanto sy ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy
ireo ary indrindra ny afahan’ny samy tia kanto sy mozika miara-mizara,
miara-miasa ary mivelatra eo amin’io sehatra io.

Raha te hahafantatra misimisy ny momba anay na koa te hiara-hiasa
dia tsidiho ny: https://www.facebook.com/pages/Tija/180226118929