Toamasina-Faha-75 taonan’i Amiraly Ratsiraka : ankalazaina ao amin’ny kianjan’ny CRJS

Isan-taona, na fony izy teto an-tanindrazana na efa izy tany ampita, tsy manadino ny datin’ny 4 novambra ireo mpikatroka Arema Toamasina. Tato anatin’ny taona vitsivitsy, mazanà teny amin’ny trano fonenan’ny anabaviny, Jacqueline Ratsiraka, no nanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahan’i Deba.

Amin’izao 4 novambra 2011 izao, faha-75 taonany, eny amin’ny kianja malalaky ny  CRJS  Toamasina no hankalazana izany. Fety be tokoa no hotanterahin’ireo mpikatroka Arema amin’ny  zoma 4 novambra 2011 . Ny Arema Toamasina izay karazany efa tratran’ny “virus” fizarazarana koa satria misy  ny Arema Perroiste (miara-dia amin’i Pierrot Rajaonarivelo), misy ao  ireo mpikatroka Arema miara-dia amin-dry Vaovao Benjamin, misy ao Toamasina koa ireo Arema manohana an-dry Robson ary ny Arema ambaran’ireo sasany ho “Arema orizinaly” dia ireo Arema Ratsirakiste. Nanamafy ireo fianakaviany izay sendra anay fa sady efa anatin’ny fanomanana ny fiverenan’i Amiraly Ratsiraka eto Madagasikara  koa izy ireo amin’izao fotoana izao.

 

        
Ambodiatafana, Oktobra 2011

Ny mahalasa saina anefa mbola tsy ho vita ato ato ny asa fanarenana ny tranon’i  Deba ao Ambodiatafana. Tamin’ny fandalovanay tany an-toerana  ny tapatapaky ny volana  oktobra lasa teo, tsy mbola nanomboka ny asa fanarenana. Nilaza mantsy ny orinasa Tsaravintana izay  nahazo ny tolotrasa fa dia “noho ny mbola tsy fisian'ny vola avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany no antony tsy niantombohan'ny asa, mbola tsy azo ihany koa ny "O.S" (Ordre de Service)”. Nilaza hatrany ireto farany fa raha  tsy  mbola mahazo ny fankatoavan' ny sampandraharaha misahana ny tolotrasam-panjakana "Prmp" dia tsy hivoaka ny "O.S", ka mbola miandry an' izany vao afaka hanomboka tanteraka koa  ny asa.

 

Raha honina ao Ambodiatafana izany  izy, mbola sarotra inoana ny hiveranan’i Amiraly Ratsiraka eto Madagasikara ato ho ato. Moa ka tsy izany va? (iray amin’ireo teny nahafantarana an’i Amiraly Ratsiraka rehefa mikabary).

 

Nangonin’i Tamaga