Toamasina : horavan’ny EMMO-REG ny fitokonan’ny mpiasan’ny Commune

 

Ny alatsinainy 7 novambra, feno EMMO-REG ny tao anatin'ny biraon'ny Voirie Toamasina toeram-pitokonan'ireo mpiasan'ny kaominina mitaky ny fialan'ny PDS. Nanomboka ny asabotsy lasa teo no efa tao ireo miaramila eo anivon'ny EMMO-REG ireo. Tsy afaka niditra tao noho izany ireo mpiasa mitokona ka eny amin’ny arabe ampitan’ny biraon’ny Voirie izy ireo no mitaky ny fialan'ny PDS. Nandeha ny fifampihantsiana teo amin'ny miaramila sy ireo mpiasa mitokona : manambana basy ireo miaramila. Ireo EMMO-REG dia hita fa ampian'ireo olom-bitsy miaraka amin'ny PDS izay tarik’i Rockers, irakiraky ny PDS Rakotovao Mariot Jean Florent.  Nanambara i Solofo mpitari-tolona (eo amin'ny sary)  fa handefa taratasy any amin’ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny lehiben’ny Distrika ary ny Procureur de la République izy ireo. Taratasy hampahafantatra fa rehefa tsy ekena hitolona am-pilaminana ao anaty lakoro Voirie izy ireo dia hirotsaka an-dalambe. Namafy koa ireo mpiasa mitokona omaly maraina fa hanidy ny biraon'ny PDS izy ireo. Mandeha be ny feo ao Toamasina fa nomen’i PDS vola ireo miaramila manakana ny grevin’ny mpiasa ireo. Ireo EMMO-REG moa dia  milaza fa nahazo taratasy avy tany amin’ny ministeran'ny fanapariaham-pahefana izay milaza fa "lava loatra ny fitokonana ataon'ny mpiasan'ny commune Toamasina ka tsy maintsy ravana". Rehefa notakian'ireo mpiasan'ny Commune mitokona anefa izany taratasy izany dia tsy misy akory.
     

Maro ireo olo-tsotra mety hanamafy ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaominina

Mbola feno fako, loto mihandrona, rano mihandrona, ny faritra maro ao Toamasina. Ny ao Bazary Kely, mihandron-drano tanteraka ireo lalana ary efa maimbo sy miloko maitso. Mahatsiaro voaelngelina ireo mpivezivezy sy ireo mpivarotra amin’iny toerana iny. Atao inona foana ireo “ticket” alainay aminay mpivarotra isan’andro? hoy ireo mpivarotra. Tsy maintsy handray andraikitra izahay, hoy izy ireo. Tombanana hanamafy ny hetsik’ireo mpiasan’ny kaominina, noho izany, ny olon-tsaotra maro ao Toamasina.

Nangonin’i Tamaga