Toetra Raja

I Toetra RAJA no
maneho amintsika etoana ny tsiambaratelon'ny angaly ampiasainy amin'ny
famoronana tononkalo. Mivelatra eto anivon'ny aterineto ny asa sorany ary
ahitana santionany vitsivitsy ato amin'ny tranonkala vetso.serasera.org.

- Raha tsy
mahadiso Toetra RAJA, manana rohim-pihavanana amin'i Jean NARIVONY ve ianao ?

Miarahaba ny mpisera
tompoko. Azoko tsara ny anton'ny fanontanianao satria mampahatsiahy ahy fa samy
mitondra ny anarana RAJAONARIVONY izahay mianaka. Na izany aza anefa ary na dia
misy firehana "Jean NARIVONY" tsapa amin'ny sanganasako dia tsia no
valiny. Anaran-draiko no nolovaiko. Efa nisy koa aza namana iray nanontany raha
fianakavian'i RANDZA ZANAMIHOATRA aho nohon'ny fitovitovian'ny fanononana ny
RANDZA sy ny RAJA ? Dokotera ny raiko fa tsy poeta. Misy mahafinaritra ohatra
ny talenta nolovana ve saingy na dia ny poeta sangany toa an'i Dox aza tsy
afaka nirona tamin'ny asa nirin'ny rainy iandraketany.

- Firehana
"Jean NARIVONY" hoy ianao kanefa ny angalinao dia hafa mihitsy.
Tsy io va ilay antsoinao amin'ny hoe "teny fohy isan'an-dalana"
?

Ny asa soratry Jean
NARIVONY, araka ny fanadihadiako, dia tsotra raisina kanefa mateza roritina. Eo
ampiandohana, ny mpamaky mihaona amin'ny poeziany iray dia ho safononoka
nohon'ny fahatsoran'ny vakiteny. Misosa ventesina ny tononkalo hany ka satry
sahady ny hamerimberenana azy eo imolotra. Raha zohina indray anefa ny
isan'an-dalana dia vao mainka hahasondriana ny mpakafy ny mitelina ireo
sarin-teny mifampitohitohy sy mifandray ao anatin'ny tononkalo. Io ilay hoe
"mateza roritina", izany hoe satry foana ho tomorona sy ho
fakafakaina. Araka izany dia vakintsaonjo roa ny filamatray; ny angaly anefa no
tsy itovizana.

- Efa ela
ve no nampiasanao an'io angaly io ?

Tamin'ny taona 1983
no nanombohako namindra tamin'ny fanoratana poezia ary tamin'izany fotoana
izany dia efa voarakitra tao anatin'ny tahiriko io endrika io. Mpampianatra
taranja Malagasy iray no nilaza tamiko fa io endrika io no tokony ho voizina
satria mampientanentana sy hafa mihitsy. Ankehitriny dia misalotra azy
avokoa ny diam-peniko rehetra.

-
Alaim-panahy ihany aho manontany fa sao dia nindramina tamin'ny poezia vahiny
io angaly io ?

Mpamaky tononkalo
malagasy hatramin'ny fony kely aho. Toy ny maro dia mpakafy an-dry DOX, NY AVANA,
Jean NARIVONY, RABEARIVELO, RADO sns. Nahasodoka ahy kosa ny fomba fisalotry
ELIZA FREDA ny tononkalony toy ilay hoe : "Ao anaty - Vata-paty - Misy
reny - Tsy miteny..." dia fantatsika rehetra moa ny tohiny. Nisy
fotoana aza moa ao anatin'ny "ALIN'NY POETA" fihaonan'ny mpikamban'ny
HAVATSA, ny tononkalo toa ireny no andihizana fa tsy mila hira sy mozika akory.
Taty aoriana dia nisy poeta nankafy an'ity angaly ity koa toa an'i Rô
ANDRIAMANEVA. Ny tononkalo malagasy moa dia migadona araka ny tsindrim-peo. Raha
tsindrim-peo 3 na 4 isan'an-dalana no mahazatra ny poeta maro - misy mahatratra
8 aza - dia tsy mihoatra ny 2 no ampiasaina amin'ity angaly ity. Ho tsapan'ny
mpakafy fa mientanentana avokoa ny saina amam-panahy rehefa miantsa tononkalo
fohy an-dalana moa va tsy miaramila manao famindrana.

- Sarotra
arafitra àry ve ny "teny fohy isan'an-dalana" ? Tsy izany mantsy fa
tsy maintsy tandremana avokoa na refy na gadona na rima... raha tsy mbola ho
resahana akory aza aloha ny hevitra, ny sarin-teny, ny loko sns ?

Ireo misionera
anglisy nandinika ny tokony hamoronana ny hira protestanta tamin'ny taon-jato
faha XIX, toa an-dry DAHLE sy HARTLEY ary RICHARDSON, rehefa avy nizarazara
hevitra, dia niray feo fa azo atao poezia tsara ny teny malagasy satria manao
dia milanto sy mirindra ka mora arafitra.

- Izany
hoe mora folahana ?

Andeha angaha hataoko
hoe mora volavolaina na mora kirakiraina. Voalaza aza fa ny Malagasy tena
havanana tamin'ny famoronan-kira tamin'izany fotoana izany no raiben'ny
poeta malagasy. Tsy iza izany fa ANDRIANAIVORAVELONA rainy izay nahaforona
hira protestanta 36 ao amin'ny fihiràna, ka iray amin'izany ilay tsy afaka
am-bavan'ny maro hoe "Ao ny lanitra tsara tokoa" (hira 684).
Fantatsika loatra fa hira mampandatsa-dranomaso izy iny ary fanao amin'ny
fotoam-pandevenana, kanefa kosa dia sady mirima fatratra no migadona tsara.
Izany rehetra izany no naharesy lahatra ahy ka nahatsapako fa misokatra ho
an'ny poezia malagasy ny angalin-tononkalo rehetra, eny fa na dia ny sarotra
indrindra aza, satria tsy lany laniana sy tsy lany hamamiana ny akora azo
ampiasaina ananan'ny tenintsika.

-
Mahaliana ny maro koa ny fomba fampivadiana ny endrika sy ny hevitry ao amin'ny
tononkalonao ?

Ny hevitra no tonga
aloha ao an-tsain'ny poeta. Voavadibadika toy ny bainga izany ka tonga masaka
hirobonan'ny endrika sy ny hevitra hahazoana miroso hatrany amin'ny kanto
kokoa. Ny tena marina dia izao : ambohimpihaonan'ny hevitra sy loko ary gadona
sy rima ny poezia. Manankarena voambolana ny teny malagasy, hoy aho teo, hany
ka rehefa voatsakotsako ao an-tsaina ny hevitra iray, ary mihamatotra dia
mitosaka ho azy toa vita majika ny endripeo. Narafitro ato anaty AN-DALAN-TENY
ireo dingan'ny famoronana ireo.

AN-DALAN-TENY

Andalan-teny
Tongatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

 

Ka
nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

 

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

 

Hierinerina
Ankavoana
Averimberina
Eny foana.

 

25
jolay 2006

 

- Ankoatra
ny aterineto, misy fomba hafa ve ampielezanao ny tononkalonao ?

Amin'izao andron'ny
fanantoloana sy ny serasera izao dia ataoko angamba fa tsy ho azo amaivanina ny
fampielezana amin'ny aterineto. Azonao tsidihana ny tranonkalako. Efa nivahiny
matetika koa tao amin'ny Radio Feon'ny Merina aho ary nisy fiantsàna matetika
ny diam-peniko tao. Efa niseho tamin'ny gazety vitsivitsy mivoaka isanandro koa
izy ireo toy ny L'express de Madagascar, La Gazette DGI. Amin'ny maha
mpikamban'ny HAVATSA UPEM ahy dia boky telo no nandraisako anjara :
SANTA-BOKATRA, MIRAZOTRA ary ny TATAMO MANOKANA izay navoaka ho tsangambaton'ny
faha 55 taonan'ny fikambanana.

- Raha
misy azo hiverenana ny lalana nodiavinao, misy zava-kinasa tsy tanteraka ve ?

Tsy misy anenenako ny
zavatra vitako. Ireo kinasa tsy tanteraka dia iriko ho anjara filamatr'ireo
silaky ny aiko.

- Ohatra ?

Ny fitendrena
zava-maneno ohatra dia anisan'ny fialamboliko kanefa tsy mba nety nanavanana
ahy. Faly aho anefa ankehitriny fa mirona amin'io taranja io avokoa izy
mianadahy zanako ary samy mandalina izany any amin'ny CONSERVATOIRE.

- Ny
zavatra tsy tianao indrindra ?

Ny olona be FOSAFOSA,
izay tsy namelako raha tsy nahavitako an-dalan-teny vitsivitsy :

FOSAFOSA

Tsarovy
Ry be
Fosafosa

Mitovy
Amin'ise
Ny kanosa

Aleo
Hifanatrehana
Kosa

Ny feo
Reharehan'
Ny osa.

 

Fingana
Ivoho
Mampisosa

Mandringana
Lasan-ko
Trosa !

Raha toa
Tsy lany
Miavosa

Ny fo
Iantefany
Mihaosa.

Tsilaolao
Heverina
Hisosa

No atao
Ka hiverina
Kosa !

 

Toetra RAJA
25 janoary 2009

-
Fisaorana lehibe no atolotra an'i Toetra RAJA nanompana fotoana nanambarany ny
mombamomba azy sy ny angaliny. Ho anao izay te hahafantatra bebe kokoa ny
mpanoratra dia azonao atao ny mitsidika ny tranonkalany :

http://www.freewebs.com/toetraraja/

Toetra
RAJA koa dia anisan'ireo mpandrindra ny tranonkala manokan'ny POETA MALAGASY :

http://poeta.webs.com/1.html

Misaotra indrindra ny
tranonkala vetso.serasera.org nampiantrano sy nitoto nahafotsy ny dinidinika.
Misaotra indrindra koa ireo mpisera ary manentana hatrany azy ireo amin'ny
fanandratana avo ny haisoratra malagasy.