Tolo-kevitra hampihena ny lozam-pifamoivoizana

Noho ny voina roa sosona izay namoizana ain'olona maromaro tato ho ato dia nanolotra sosokevitra izay tsy voatery hiandrasana ny fitondrana i Hery atsy amin'ny blaoginy ka hatolotra antsika eto.

Sosokevitra iray izay ampiharin'ny olona amin'ny firenena sasany no arosony. Fehezina amin'ny hoe "ny mpandeha" (ny mpanjifa) no tokony ho tompom-pahefana.

 Ny mpandeha dia mandoa vola fa tsy entina maimaim-poana. Ary efa vidina lafo mihitsy ny fitaterana amin'izao fotoana izao raha miohatra amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay. Koa tahaka ny varotra rehetra dia izay tsara sy  hita ho mahasoa no vidina. Inona no mifandrindra amin'izany resaka tolotra sy tinady izany eo amin'ny fitaterana:

 - Anontaniana mialoha ilay mpamily raha handeha mafy izy na tsia, indrindra ho an'ny taxi-brousse mandeha lavitra. Azavaina aminy mihitsy fa raha handeha mafy izy dia aleo hifidy taxi-brousse iray hafa izay vonona hanaja lalàna. Tokony ho azo atao izany satria ifandrotehana ny mpandeha rehefa eo amin'ny Fitobian'ny fiara.

 - Raha vao manomboka mandeha mafimafy mihoatra ny tokony ho izy ny mpamily dia tenenina avy hatrany. Afaka mangataka ny hijanona mihitsy na miantso zandary amin'ny antso an-taroby. Fa tsy hoe faly rehefa mandeha mafimafy ny mpamily. 

 - Tsy avelavela fotsiny amin'izao raha nisy ny tsy fanarahan-dalàna teny an-dalana (mpamily nandeha mafy sns) fa resahina avy hatrany amin'ny mpitandro filaminana rehefa tonga.

- Ampitampitaina amin'ny hafa amin'ny fomba samihafa (groupe F.E.M eo amin'ny facebook na fitaovana hafa) ireo fiara, mpamily, kaoperativa izay tsy manara-dalàna toy ny mpamily mifoka sigara, mandeha mafy, sns.

Inoana fa raha samy mandray ny andraikiny ny mpandeha tsirairay dia mety hisy ihany ny aina ho voavonjy. Dia alao hery ary hiara-mitady vahaolana mandra-pahatongan'ny fitondrana saina.