Volavie

 

Volavie no anarana nofidiako ho entina eo amin’ny
sehatry ny kanto. Vola satria sombiny notsoahina tamin’ny fanampin’anarako,
vola satria hozatry ny fiainana. “Vie” ilay fiainana lalovantsika rehetra
ifampizarantsika ny kanto sy ny hira. Ireo no natambatro ho ho Volavie.

 

Ny raki-kira navoakako dia ilay “Balade” izay ahitana
karazan-kira maro : misy amin’ny teny frantsay, teny anglisy, tany Malagasy ofisialy,
tenim-paritra isan-karazany indrindra fa avy any amin’ny faritra avaratr’ Sofia
(izay anisan’ny tany niaviako) Ny gadona ihany koa dia mitety faritra maro
satria hita ao ny salegy, antosy, basesa

 

Izaho dia sady mihira no mampandihy, ary io farany io no
tena manavanana ahy satria efa 15 taona aho no niaka-tsehatra niaraka tamina
tarika mpampandihy, mialoha izao famoahana izao raki-kira izao

 

Tsy mamorona aho fa ny zokiko no mpamorona ny hirako. Misy
koa anefa olona hafa izay isaorako manokana eto dia Atoa Razanatsoavina
Christian izay naolotra ny sangan’asany hiraina ao amin’ity raki-kira ity.
Misokatra amin’ireo izay mazoto hiara-miasa Volavie ary maniry izany indrindra
koa.

 

Ho avy tsy ho ela ny “concert de promotion” sy ny “tournée »
eto France. Rtsy adino koa ny any an-tanindrazana amin’ny 2014

 

Afaka vidiana ao amin’ny Bazarbe ao Kremlin Bicetre ny CD
ary hivoaka tsy ho ela ao amin’ny Super Music ao Analakely

 

Ny hafatr’I Volavia dia fohy :

Manentana ny mpanjifa mba handray anjara amin’ny fividianana
ny CD fa tsy hanao “pirate” fa izany no

Mamelona ny lanjan’ny kolontsaina Malagasy ary koa mampazoto
ireo mpamorona ka tsy hahafaty ny talentany.

 

Raha maniry hifandray amin’I Volavie dia afaka miantso ny 00
33 6 32 70 89 24 na manoratra amin’ny urazafimihanta@yahoo.com . Azo tsidihina ihany koa ny
facebook Volavie