Nandao fitondrana omaly 21 janoary ny Filoha gambiana Yahya Jammeh.

 

Omaly asabotsy 21 janoary tamin'ny 9 ora sy fahatelony alina (GMT) no niondrana tanatin'ny fiaramanidina hitondra azy an-tsesitany any Guinée Equatoriale ny Filoha gambiana Yahya Jammeh rehefa nanaiky ny hiala teo amin'ny fitondrana. Teo am-pidirana ny varavaran'ny fiaramanidina izy dia nitodika farany tamin'ireo tonga nanatrika ny fiaingany izy ary nanohahofa ny Coran ho fanavaom-beloma ireo mpanohana sy mpiara-dia taminy nandritra izay 22 taona nitondrany izay. 

Fiaramanidina manokan'ny filohan'i Guinée, Alpha Condé, io nitondra azy io, Condé izay naneho ny fahafahampony tamin'ny fanelanelanana rehetra nandaminana ny olan'i Gambie mba tsy hisian'ny rà mandriaka. Ny Fikambanana ara-toekaren'ireo Firenena ao Afrika Andrefana (CEDEAO) sy ny Firaisamben'ny Firenena Afrikana (OUA) ary ny Firenena Mikambana (ONU) moa dia nampanantena fa hajaina tanteraka ny zon'ity filoha ity, indrindra ny fahafahany miverina any an-tanindrazana, sy nankasitraka azy tamin'ny fandavan-tenany teo amin'ny famahana ny olana.

Taorian'izay fotoana namaivay nolalovan'ny firenena izay, indrindra ny tsy naneken'i Jammeh ny fahareseny tamin'ny fifidianana tamin'ny 1 desambra 2016 teo, dia hanomboka pejy vaovao izany izao i Gambie miaraka amin'ny filoha Adama Barrow, izay efa nanao ny fianianany tao amin'ny masoivohon'i Gambie ao Dakar ny alakamisy 19 janoary lasa teo. 

 

 

Commentaires

Nahagaga ahy mihisy ilay izy tonga dia nangataka hoe hanao sesintany. Matahotra ny hiaina tsotra eo amin'ny fireneny izany izy. Mbola ho ela mihisy Afrika vao hisy fifandimbiasana milamina. pfff