SYLAR, na i Rakotobenjanahary Nick Michaël, dia tanora misandratra eo amin’ny sehatry ny mozika URBAN, AFROBEAT, ACOUSTIQUE. Fa tsy manakana azy tsy hivoy ny ngadona hafa anefa izay fironany izany.
Ny taona 2018 no nanombohany niantsehatra. Izy ihany no manoratra sy mamorona ny mozikany ary mihira.
Teny am-boalohany dia nanana fiaraha-miasa tamin’ny MLC, MIC MAC PROD ary WILLTEAM MUSIC i Sylar. Hary elatra kosa izy izao ka mamindra irery satria ny faniriany dia ny hametraka ny anarany eo amin’ny sehatry ny zavakanto malagasy.
Eo am-piketrehana vokatra maromaro ho atolony ireo mpankafý azy i Sylar amin’izao fotoana izao ka am-piandrasana izany dia efa azonareo alahatra sy henoina ao amin’ny RadioVazoGasy ireo vokatra efa tafavoaka.
Tsidiho hatrany koa ny pejy Facebook Sylar Officiel mba hanarahana ireo vaovao momba azy sy ireo masaka arosony ho antsika.
Rondro Volantsoa