Izay efa tany Venise angamba dia samy nahamarika hoe feno ireny hazo mitsatotsatoka ireny any, dia manontany tena hoe tsy mba lò ve izany ireny hazo ireny ?
Kanefa dia noho io ranobe io izay sady rano mamy no rano masira no toa mainka mahamafy be azy ireny.
Ao anatin'ny riakasia (lagune) mirefy 550 km² no misy an'i Venise sy ireo nosy kely efa ho 70. Any atsimony kosa no misy ny vavarano hidiran'ny ranomasina adriatika ao anatin'ny riakasia.
Ankoatra ireo nosy kely manodidina azy, i Venise tanàna kosa dia fitambarana nosy 150 eo ho eo izay ampifandraisin'ny tetezana miisa 436.
Dia eritrereto fa tamin'ny taona 421 no nanorenana an'i Venise tambony vatan-kazo an-tapitrisa, milentika amin'ny tany feno fasika ambanin'io riakasia amoron'ny ranomasina adriatika misy azy io.
Ny hazo oaka (chênes) sy ny "ormeaux" ary ny "mélèzes" no tena nampiasaina tamin'izany, nahafahana nametraka fototra marin-toerana. Mahatratra hatramin'ny telo metatra ny halaliny, ary antsasa-metatra monja ny elanelan'ireo tsato-kazo nalahatra sy nampifanindriana ao ambany ao. Lasa mafy toy ny vato ireny hazo ireny rehefa mandeha ny fotoana.
Toy ny ala kely difotry ny rano izany ao ambanin'ny tanànan'i Venise ao.
Ny tahan'ny sira amin'ny ranomamy ambany kokoa noho ny an'ny ranomasina sy ireo mineraly mivangongo amin'ny kiran'ny hazo no manakana ny hazo tsy ho lò ka mampaharitra azy an-jato taona maro dia maro. Tambonin'ireny vatan-kazo mandry sy mitsatoka ireny no nasiana ny lampivato na biriky hampifandanja ny vesatra nanorenana ireo trano sy lapa sy eglizy sy tetezana, ary dia io i Venise mbola mandray mpizahatany an'alinkisa isan-taona na dia miady hatrany amin'ny fiakaran'ny rano isan-taona, izay antsoin-drizareo hoe "acqua alta", sy ny fihetsehan'ny tany aza izy.
Irý bazilika goavana be an'i "Santa Maria della Salute" irý izao dia nilana vatan-kazo mihoatra ny iray tapitrisa ao amin'ny fanambaniny nanorenana azy ao.

Irý tilikambon'ny bazilikan'i San Marco mijoalajoala erý am-pita irý indray dia mijoro ambony vatan-kazo mandry sy tsato-kazo miisa 100.000.

Matanjaka mihitsy ho'aho rizareo italianina ireto raha tao-trano sy asa vaventy kah.