Ny fomba nanorenana ny tanànan'i Venise, Italie

Izay efa tany Venise angamba dia samy nahamarika hoe feno itony hazo mitsatotsatoka itony any.
Tamin'ny taona 421 no nanorenana an'i Venise tambony vatan-kazo an-tapitrisa, milentika amin'ny tany feno fotaka ambanin'io farihy amoron'ny ranomasina Adriatika misy azy io.

Ny hazo oaka (chênes) sy ny "ormeaux" ary ny "mélèzes" no tena nampiasaina tamin'izany, nahafahana nametraka fototra marin-toerana.
Mahatratra hatramin'ny telo metatra ny halaliny, ary antsasa-metatra monja ny elanelan'ireny tsato-kazo ireny maro be ireny. Lasa mafy toy ny vato ireny hazo ireny rehefa mandeha ny fotoana. Toy ny ala kely difotry ny rano izany ao ambanin'ny tanànan'i Venise ao.
Ny tahan'ny sira amin'ny ranomamy ambany kokoa noho ny an'ny ranomasina sy ireo mineraly mivangongo amin'ny kiran'ny hazo no manakana ny hazo tsy ho lò ka mampaharitra azy an-jato taona maro dia maro.

Tambonin'ireny vatan-kazo sy tsato-kazo ireny no nasiana ny lampivato na biriky hampifandanja ny vesatra, ary nanorenana ireo trano, lapa, eglizy, tetezana, sy ny sisa.
Ny tilikambon'ny bazilikan'i San Marco fotsiny ohatra dia mijoro ambony tsato-kazo 100.000 isa, ary ny bazilika goavana be an'i Santa Maria della Salute dia nila vatan-kazo mihoatra ny iray tapitrisa.

Ary dia io i Venise mbola mandray mpizahatany an'alinkisa isan-taona na dia miady hatrany amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fihetsehan'ny tany aza izy.
Matanjaka mihitsy rizareo italianina raha tao-trano sy asa vaventy.

 

Rondro Volantsoa