Nisokatra ny Google+

Nisokatra ny 28 jiona lasa teo ny tolotra iray antsoina hoe Google+ (G+). Mbola vaovao ho an'ny maro tokoa ity G+ ity na dia efa ela aza no niketrehan'i Google azy, ary efa fantatra fa tsy maintsy ho avy masiaka(1).

Fa inona tokoa ilay G+? Tambazotra fifaneraserana iray na ilay antsoin'ny maro amin'ny teny vahiny hoe "social network" ny G+. Hahafahanao mizara lahatsoratra, sary, sarimihetsika, eritreritra mandalo, ho an'ny namana vitsivitsy, na vondrona iray na maro, na koa ho an'ny rehetra. Ny Facebook ohatra dia anisan'ny tambazotram-pifandraisana. Ny namana.serasera.org ihany koa dia noforonina ho toa izany. Amin'izao fotoana izao dia mihoatra ny 750 tapitrisa ny mpokambana ao amin'ny Facebook. Manjaka tokana amin'io sehatra io izy hatreto. Koa efa noheverina fa tsy maintsy hisy ngeza toa an'i Microsoft na Google hifaninana aminy. Dia indro tokoa i Google niaraka tamin'ny Google+.

Gplus stream
Google+ Stream

Betsaka ireo zavatra mampiavaka ny Google+ amin'ireo tambazotram-pifandraisana hafa. Fa ny zava-dehibe, ary hita hoe ho hery goavana entiny mifanandrina amin'ny Facebook dia ny fiarovana ny fiainana manokan'ny mpikambana. Ao amin'ny G+ tokoa mantsy dia ny mpikambana no mifehy tanteraka ny momba azy. Ary anisan'ny foto-kevitra ijoroany ny hoe "Data Liberation" izay hahafahan'ny tsirairay maka, mitahiry amin'ny toerana hafa, na mamafa ny momba azy manontolo. Ao amin'ny G+ koa, ihavahany amin'i Facebook, fa itovizany amin'ny namana.serasera.org sy ny twitter.com dia ilay fifandraisana mandeha zotra tokana. Izany hoe ny olona fidinao hizarana ny momba anao dia tsy voatery hfidy anao ho namana. Ianao no mifidy ny olona tianao hanaraka anao(2), na ireo olona tianao hizarana ny lahatsoratrao, ary tsy mila fankatoavana avy aminy izany. Mazava ho azy, rehefa tsy te handray sy hamaky anao izy dia tsy manaraka anao. Ianao koa no mifidy izay olona tianao harahina, ary tsy mila fankatoavana na fandavana avy aminy izany satria izay zavatra avelany hozaraina aminao ihany no ho hitanao. Ny olona iray izay manaraka olona 1000 izany dia tsy midika hoe arahin'ny olona 1000. Ao amin'ny FB mantsy, matoa namanao ny olona iray, ka afaka manaraka azy ianao, dia satria efa nekeny ho namany koa ianao.

Ny Faribolana (circles) no entin'i G+ mandrindra io fifandraisana io. Rehefa misy olona iray tianao harahina sy hahita ny zavatra apetrakao dia ampidirinao ao anaty Faribolana iray. Afaka manana Faribolana maromaro ianao, noho izany, ohatra hoe Faribolana fianakaviana, Faribolana namana, Faribolana mpiara-miasa. Ny mpikambana iray dia afaka ampidirina anaty faribolana maromaro. Raha manana Faribolana fianakaviana ianao, dia manana Faribolana Malagasy sy Hatsikana, dia azonao ampidirina ao amin'ireo ny rahalahinao izay mahazo teny malagasy sady mankafy hatsikana. Ny olona irayy manaraka anao dia azonao ampidirina amin'ny Faribolana heverinao fa tokony hisy azy.

Google + circles
Google+ circles

Rehefa mizara lahatsoratra na sarimihetsika na sary izany ianao dia afaka mifidy izay Faribolana tianao hahita azy. Ny rediredy sy vazivazy amin'ny teny malagasy amin'izay fotoana izay dia tsy ho hitan'ny mpampiasa anao... Satria tsy tafiditra ao anaty Faribolana rediredy sy malagasy izy. Manana safidy koa ianao hizara ho an'ny rehetra na dia tsy ao anaty Faribolana aza. Ny Faribolana izany no entinao mamaritra ny fanomezan-dalana hijery ny zavatra atolotrao.

Ny zavatra iray mampiavaka ny G+ koa dia ilay antsoiny hoe "Hangout" izay ihaonanao antsary amin'ny namana iray na maromaro nofidinao. Ilay teny hoe "maromaro" eto no tena manan-danja satria afaka mahita ny sary sy mifampiresaka amin'ny olona maro tokoa. Toa ireny manao famelabelaran-kevitra antsary ireny izay ahitana antsary, amin'ny alalan'ny webcam, ny mpandray anjara rehetra, ahafahana mangataka fitenenana sy miresaka. Mazava ho azy fa toy ny fivoriana rehetra dia misy ny fanomanana mialoha sy ny mpandrindra ny fivoriana toa izany.

Tao anatin'izay 3 herinandro nisokafan'ny Google+ izay dia efa nahatratra 20 tapitrisa ireo mpikambana ao anatiny. Hatramin'izao aloha dia ireo olona zatra mikirakira ordinatera no tena betsaka ao. Mbola tsy misokatra tanteraka ho an'ny rehetra izy satria mbola anaty andrana ihany. Na izany aza anefa dia tsy sarotra ny mahazo alalana hiditra ao. Mila fanasana avy amin'ny mpikambana efa ao anatiny fotsiny. Efa misy Malagasy maromaro ihany koa mampiasa G+ na dia mbola tsy misy aza statistika mazava. Eo andalam-pijerena akaiky ny mety ho fivoaran'ny G+ rahateo ny ankamaroan'nyy olona.

(1) Ho avy hivatravatra.
(2) Voambolana matetika ampiasaina amin'ny tambazotram-pifandraisana ny hoe arahina, follow, suivre.