Tenimiafina 5 tapitrisa mahery no niseho

Niseho tamin'ny takelaka rosiana iray tamin'iny herinandro lasa iny fa nisy kaonty Google maherin'ny 5 tapitrisa no fantatra ny tenimiafina ao aminy. Koa satria efa nandritra ny efa-taona no nanaovana ny fangalarana koa maro tamin'ireo tenimiafina no tsy mandeha intsony. Imbetsaka tokoa mantsy no nisy filazàna sy fangatahana fanoloana tenimiafina tato ho ato vokatry ny asan'ireny jiolahin'ny internet ireny. Koa maro tamin'ireo olona voalaza fa voa ireo no efa nanolo tenimiafina talohan'izao nivoahan'ny lisitry ny kaonty voasokatra izao. Na izany aza anefa dia inoana fa misy ireo izay mbola tsy nanova tenimiafina mihitsy nandritra izay 4 taona farany izay. Araky ny voalazan'ilay takelan nametraka ny lisitry ny kaonty vaky dia ny 60%-n'ireo tenimiafina ireo no mety mbola handeha. 

Araka izany dia mandeha indray ny antso avo etsy sy eroa hanovan'ny tsirairay ny tenimiafina fampiasany amin'ny Google (indrindra ho an'ireo izay manana adiresy mailaka @gmail.com). Mifanaraka amin'izany dia tokony hovaina koa ny tenimiafina any amin'ny kaonty hafa raha toa ka mitovy amin'izay nampiasaina tao amin'ny Google.

I Google kosa anefa dia mampitony ny mpanjifa mba tsy hikoropaka loatra. Nolazainy fa avy ao amin'ny Google ny fivoahan'ireo tenimiafina ireo ary tsy azo inoana hoe tenimiafina vaovao ireo. Ny ankamaroan'ireo kaonty ireo rahateo, hoy ihany i Google, dia kaonty avy any Rosia ka inoana fa olona voafitaka ka nampiditra ny tenimiafina tamin'ny takelaka hafa tsy nahy ireo olona ireo. 

Ramalina aza hono mifehy hazo tokana koa aleo ihany manova tenimiafina matetitetika. Amin'izao koa i Google dia nampiditra an'ilay fanamarinana indroa miantaona (2 step verification izay hitanao ato) izay miaro mafy ny kaonty tsy ho tafiditry ny olona hafa. Koa raha tsy matokitoky dia afaka mampiasa an'io. 

Marihina fa raha mampiasa Gmail ianao dia afaka mahita raha toa ka nisy niditra na tsia ny kaontinao. Ery ambany havanana ery dia misy rohy hahitana ireo toerana nampiasanao ny kaontinao ka raha toa tsy toerana mahazatra dia nisy nahita izany ny hafatrao rehetra.