Fetin’ny
mozika izao, fetin’ny hira, fifalifaliana. Nankalaza izany isika teto
Madagasikara tamin’ny faran’iny herin’andro iray lasa iny, raha tamin’ny
Talata kosa vao tena nankalaza izany ny firenena maro hafa. Raha
tsiahivina fohy dia tamin’ny taona 1991 no nanomboka nisy ny fetin’ny
mozika ka ry zareo frantsay no nanomboka azy io izay vao nihitatra
tamin’ny firenen-kafa ka firenena 120 eran-tany izao no mankalaza izany.
Ekena tokoa ary tsy azo lavina fa ny andro tsy misy mozika dia andro
maty, misaona, manjombona. Samy manana ny fomba fijeriny anefa isika eo
amin’ity resaka mozika ity. Na raha ny marimarina kokoa dia ny mozika sy
ny fomba fitafin’ny mpanankato sy ny mpandihy. Tsy hoe manavakavaka ny
mpanoratra eto fa te hanaitra ny saintsika foana.
Ahoana marina moa no
hamaritana ny hoe : kanto ? Miainga avy amin’io no hamaritana ny
mpanankato. Ny ahy hevitra ihany kanefa hevitra inoako fa iraisan’ny
manam-panahy mizara ihany any anatiny any. Ny manam-panahy dia ireo
mahatsapa fa tokony hisy fanabeazana tsara omena ny zanaka aman-jafy.
Mametram-panontaniana ihany anefa ny tena satria maro ny mpihira no
miteniteny foana sy manaonao foana. Ireny milaza tena fa mpanankato
mihirahira fahatany ireny, sy ny mpandihindihy mitanjatanjaka ireny
amiko dia mpisandoka ihany koa. Tokony hiady amin’ireny ny tena
mpanankato alohan’ny hanenjika mpivarotra CD mpiraty etsy sy eroa. Tsy
fanavahana mpihira fa misy ireo mpihira mafana sasany avy any avaratry
ny nosy no tena mpandoto tsena. Eo amin’ny tononkira dia maivana dia
maivana : tsy misy anatra, resaka mandeha ho azy, mitantara fotsiny. Eo
amin’ny fiankanjoana sy ny fandihizana : miboridan-dridana mampidera
fitombenana. Toa iny mihintsy no amidy ahazoana olona hitia ny
« kantony ». Mieritreritra ve izy ireo fa tsy halaza raha toa ka manao
maotina fitafy sy mihaja fihetsika ? Misy mpanakanto vitsivitsy ihany
anefa avy any avaratra nanana ny lazany na dia nampiasa tononkira
maotina sy fomba fitafy azon’ny rehetra jerena. Toa andry Clo Mahajanga,
Jean Rigo, Jojoby… Koa nahoana no voatery hivary lavo? Marihina fa tsy
fanavahana an’ireo mpihira avy amin’ny faritra avaratry ny Nosy izany
satria na dia ny eto Antananarivo koa aza dia misy ireo mpihira manao
fitenim-boto, hira feno vetaveta sy mifanohitra amin’ny fitsipiky ny
fanabeazana. Princio, ohatra amin’ny hirany sasany dia milaza « fa misy
mpihira sy hira tena mila hampanary any anaty zordira », avy eo indray
nefa ny hirany sasany dia miresaka firaisana sy fitombenana. Tokony ho
fantatr’ireny mpihira ireny fa mpianaka, mpianadahy, olom-pady matetika
no indray mijery sy mihaino ny hirany.
Tompon’andraikitra
ny tsirairay manomboka amin’ny mpanakanto isanisany izay manana adidy
hampakatra avo ny kanto gasy, ka hatramin’ny mpitondra fanjakana izay
tokony hiaro ny zon’ny zaza sy ny tsy ampy taona manoloana ireny zavatra
mamoafady ireny. Eo ihany koa ny tsirairay izay afaka manome lanja ny
mpihira manao zavatra tena kanto sy ireo mpihira mampiseho vatana
fotsiny.
Lebota.