Fampahafantarana ny Hira Gasy tany amin'ny faritr'i Berry nandritra ny Festival 'Le Son Continu'

 

Taminy sabotsy 13 jolay 2024 lasa teo dia nisy famelabelaran-kevitra nataon'i Emeline, zanak'i Ramilison Besigara nandritra ny Festival "Le Son Continu" tao amin'ny Château d'Ars, ao Lourouer Saint Laurent (France), ho fanomezam-boninahitra an'i DadaMily sy ho fanandratana ny Hira Gasy izay efa nalahatry ny UNESCO ho isan'ny Vakoka Maneran-tany ara-kolontsaina tamin'ny taona 2023.

I Didier Mauro, mpanoratra sy mpikaroka ka nandalina manokana momba ny Hira Gasy ary mpikambana ao amin'ny Akademia malagasy, no namariparitra tsotsotra ny momba an'i Madagasikara sy ny Hira Gasy, nialoha ny nanazavan'i Emeline ny momba ity harem-pirenentsika ity. Narahana sarimihetsika fohy ihany koa izany rehetra izany.

Feno ny trano heva nanaovana ity hetsika ity ary maro tamin'ireo nanatrika no liana te-hahalala bebe kokoa ka nametra-panontaniana, nialoha ny famaranana ny fotoana. 
Mbola santatra am-bavarano moa iny ka antenaina fa ny manetsa be mbola ho avy. Eto hatrany isika hanohana ny vakokantsika

Ankoatra ny fidedahanay fa Malagasy tompon'ny Hira Gasy izahay tonga nanotrona tany na vitsy aza, dia nahafinaritra koa ny nitsidika ireo trano heva nampiranty ireo karazan-javamaneno tena fampiasa any amin'iny faritra iny, sy amin'ny firenena hafa koa. Tena "Festival" tany am-potony araka ny volon-taniny mihitsy ilay izy : fampirantiana, valandresaka, fampisehoana an-dampihazo, hira sy dihy isan-karazany tetsy sy teroa no niainana tao ka nody niaraka tamin'ny tombom-pahalalana mihitsy izahay no faly tena faly afaka nanandratra ny an'ny tena.

 

Tsy hay ny tsy hanolotra fankasitrahana :

- ho an'i Secyl Gilet tamin'ny anjara biriky lehibe nentiny ka nahatontosana an'iny, ankoatra ireo ranty sariny mitsena ny mpitsidika raha vao miditra ny tokotanin'ny Château d'Ars, sary mifantoka hatrany amin'ny lohahevitra : Hira Gasy, nosivaniny tanatin'ireo sary marobe nataony fony izy niaina nandritra ny 30 taona tany Madagasikara,

- ho an'i Didier sy Emeline tamin'ireo fanazavana goavana be nentin'izy ireo momba ity taranja ity, na ho an'ireo tompon-tany na ho anay Malagasy fa mbola misy tokoa ny tsy hainay,

- ho an'ireto namana nantsoina hiara-mientana dia tonga tokoa ho voninahitr'ilay Gasikarantsika.

 

Ka etsy ary ... isa ! roa ! telo ! miaraka amin'ny zavamaneno dia lasaaaaa 

 

 

 

Rondro Volantsoa