Fambolen-kazo nataon'ny Serasera.Org ho fanomezam-boninahitra an'i Landy.

 

Ambohipihaonan'ireo namana.serasera.org  teny Ampanataovana, Ambohidratrimo, tamin'ny sabotsy 2 martsa 2019 teo.

Iny fambolen-kazo iny no tontosa dia avy amintsika mianakavy, havana sy naman'i Landy Rajaonarison. Tsy nanaiky ny fo sy saintsika fa nandala ny fomban-drazana, nanolotra fao-dranomaso sy solon-dambamena tamin'ny nandaozany antsika tampoka, na dia tamin'ny fomba maoderna aza no nanefantsika izany TATO. Ary iny adidy nataontsika taminy iny no indro ankehitriny fa fahantanterahan'ny fanirian'i Landy mba handrakofana zava-maitso an'i Madagasikara. Efa mba nofinofy, mba fikasana, mba ketrik'asa novinavinain'izy sy Maeva efa elaela izany ary dia afaka mirehareha izy ankehitriny fa tafitany tamin'ity zana-drahavaviny sady zanany amin'ny batemy ity ny faneva.

Tsy nandraraka ilo an-doha i Maeva Rajaonarison fa nosalorany ny samboady maha-"3ème Dauphine - Miss Madagascar en France 2018" azy tamin'io andro io, hanentanany sy hanehoany fa na inona anjara toerany atý an-dafin'ny riaka, na lavitra ny tany misy azy, ny sainy kosa dia mitodika any an-tanindrazana foana ary raisiny ho adidy ny fanatsarana hatrany an'i Madagasikara sy ny tontolo iainana. Tsy zava-baovao aminy rahateo ny fambolen-kazo. "Efa fanaon'ny reniko taloha no tohizako ankehitriny", hoy izy tamin'ny lahateny nataony teny am-panokafana ny fotoana.

Isaorana indrindra ireo namana rehetra natambatry ny tambazotra sosialy Serasera.Org tamin'ity hetsika ity. Ho an'izay tsy mahalala dia tambazotra mampifandray ny malagasy eran-tany ny Serasera.Org izay feno 20 taona katroka amin'ity taona 2019 ity - izany hoe mbola taloha be noho ny Facebook. Ka raha nandray anjara tamin'ity fambolen-kazo ity ny "Namana Serasera Dago", ny "Global Voices Malagasy", ny "Fikambanana Tetezana" (Tetezana Onlus-Italia sy Tetezana Mada) dia satria ny Serasera.Org no  loharano nipoiran'ny ankamaroan'ny mpikambana amin'ireo vondrona telo ireo. Ary raha nisafidy ny fandraisan'ny Serasera.Org anjara ny fianakavian'i Landy dia satria i Hanitra rahavaviny sady renin'i Maeva dia isan'ny mpiandraikitra, mpitantana ity tambazotra ity. Landy rahateo dia mpanohana hatrany ny serasera ary mpandray anjara mavitrika tamin'ny hetsika ireo hetsika maromaro nataon'ny Serasera.Org tao Paris. Ka na fambolen-kazo aza no foto-dia dia miendrika fifanotronan'ny mpinamana amin'ny ora manjombona toa izao izy iny ary indrindra fanomezam-boninahitra an'i Landy.

Maromaro ireo karazan-kazo nambolena. Tao ny hazo fihinam-boa 80 fototra - papay, voasary, voasary makirana, voantsokona (corossol), ary noni - izay novolena tao an-tokotanin-tsekoly. Tao koa ny hazo mpiaro ny tany 420 fototra ka ny 200 tamin'izany dia akasia natolotr'i Alisoa Rasoanaivo ho fahatsiarovana an'i Landy, izay natao sisin'ny kianja fanaovana fanatanjahantena ary ireo ambiny kosa - zahana, ravintsara, voamboamena (dalbergia), rotsy (jamblon) - dia nambolena teny an-tanety.

Nisy ny taratasy fifanarahana mazava ny amin'ny fitsinjarana ny andraikitry ny tsirairay izay nosoniavin'i Maeva, tompon'andraikitra voalohany miaraka amin'i Hanitra reniny, ireo vondrona voatonona etsy ambony, andriamatoa lehiben'ny fokontanin' Ampanataovana ary ramatoa lehiben'ny Sekoly Fanabeazana Fototra. Rizareo teny an-toerana moa izany no niandraikitra ny fikarakarana ny tany nialoha ny fambolena ary mbola adidin'izy ireo koa ny fanaraha-maso ny voly sy fanaovana tatitra isam-bolana amin'ireo vondrona tonga namboly.

Ny tena nahafinaritra ihany koa dia ny fampandraisana anjara ireo ankizy sy tanora mpianatra, na ny ao an-tanànan' Ampanataovana izany na ireo ankizy karakarain'ny Fikambanana Tetezana. Mila zarina dieny kely tokoa izy ireo tsy hanadino ny maha-zavadehibe ny fiarovana sy fanajana ny tontolo iainana satria ny fikolokoloiny ireo hazo ireo dia fikolokoloiny ny ampitsony ihany koa.

Tafody soa tokoa ianao ry Landy, hody vovoka hifangaro amin'ny tanin'ny razana ka hitondra aina vaovao amin'ireo zava-maitso araka ny fanirianao, ho fahatsiarovana anao. Misaotra ny namana.serasera.org rehetra, indrindra ianareo niloloha, nihady, namboly, nihoso-tany mena. Mbola hitohy iny satria vao manomboka isika izao ka samia velon'aina e !

 

 

Rondro Volantsoa
 

Heviteny

Eny iky, araraoty tokoa ny andro azo anaovan-tsoa fa mandalo izao fiainana izao, itako eto ny fitsikiny nahita ireto namana nahavita adidy... handry am-piadanana tokoa anie izy...

eny akia kohhhh... sady nasiany lay rantsana manao ILY sy ny tranga lela... Merci daholo nareo an.. manana solontena foana ny serasera n'aiza n'aiza. Bàà