Eo am-pelatànan'ny Polisim-pirenena ao Dubai ny zavabita tsara indrindra eran-tany eo amin'ny fitaritana fiaramanidina.

 

Natolotra ny Lehiben'ny Holafitry ny Polisy ao Dubai, Major-General Abdullah Khalifa Al Marri, ny mari-pankasitrahana tamin'ny nandrombahan'ny ekipany ny zavabita tsara indrindra eran-tany tamin'ny Dubai Fitness Challenge.

Notaritin'ny 56 mirahalahy tamin'izy ireo ka nikisaka 100 metatra ny Airbus 380 izay milanja 302 taonina. Montsana noho izany ny tompondaka teo aloha dia ireo  olona 100 tany Hong Kong izay nitarika fiaramanidina 218 taonina.