Fanomezana avy amin'ny Ray Masina : hofan'ny tora-pasika herintaona ho an'ny "La Madonnina".

 

 

Hofany herintaona no fanomezana natolotry ny Papa François ho an'ny Fikambanana iray mikarakara ampahan'ny morom-dranomasina iray eny Focene, tsy lavitra an' i Roma, izay misokatra ho an'ny olon-drehetra, indrindra ireo sembana. 

Tamim-pahatairana sy tamin-kafaliana tokoa no nandraisan'ny Fikambanana "Opera d'Amore" izany, sampana iray ao amin'ny Fikambanana "San Luigi di Gonzaga", miandraikitra ny "La Madonnina, tora-pasika tsisy misy sakantsakana ara-drafitra". Sarotra ho an'ireo manana fahasembanana tokoa manko ny miala voly eny amoron-dranomasina noho ny tsy fisian'ny teti-drafitrasa manafoana ireny sakantsakana ireny. Izay no imasoana ao amin'ny "La Madonnina" : novolena tetezana maromaro hahafan'ireo seza misy kodiarana mivezivezy malalaka ao, misy dokotera sy olona efa voaofana avy amin'ny Federasionan'ny Lomano natokana ho an'ny Sembana, ary nanolo-tena an-tsitrapo avokoa ireo tonga manome tànana ny mpiandraikitra ao amin'ity toerana ity.

Ny tanjona hoy ireo mpiandraikitra dia tsy hampitoka-monina ireo sembana akory fa mba ho morom-pasika tsy misy sakana na ara-batana na ara-tsaina ho an'ny rehetra, mba samy hankafy ny hatsaran'ny ranomasina ny rehetra ary hahay hifanome tànana.

Tso-drano ho an'ireo mpikarakara ary indrindra ho an'ireo sembana sy ny fianakaviany avy no nomen'ny Papa Ray Masina niaraka tamin'ity fanomezana ity.