Ireo lehilahy tsy mahatsiaro ho takon'ny lazan'ny vadiny.

Matetika fandre ny hoe "Ao ambadiky ny lehilahy tafasondrotra avo dia misy vehivavy." Tsy dia izay foana anefa ny tranga fa misy koa ireo lehilahy aorian'ireo andriambavilanitra manana ny maha-izy azy fa tsy manana olana na takon'ny lazan'ny vadiny aza. Ohatra vitsivitsy amin'izany ireto tanisaintsika ireto.

Philip Mountbatten.

Efa 70 taona mahery izao no nivadian'ny printsy Philip sy ny mpanjakavavin'i Angletera, Elisabeth II.

Namirapiratra tao amin'ny tafika an-dranomasina izy, nandray anjara tamin'ny ady lehibe faharoa. 

Ny taona 1947 izy ireo no nivady, mbola talohan'ny niakaran'i Elisabeth teo amin'ny fiandrianana tamin'ny 1952, ary dia niara-dia sy nanara-dia ny Mpanjakavavy teny foana izy tamin'ny adidiny rehetra hatramin'ny faha-96 taonany, tamin'ny 2017, izay nanapahany hevitra hanalavitra amin'izay ny lasibatry ny haino aman-jery.

Fikambanana 780 no ahitana azy na tarihiny mihitsy aza, fikambanana misahana ny fiarovana ny tontolo iainana, ny famporisihina amin'ny fanatanjahantena, ny tafika sy ny sisa.

 

Stedman Graham

Noho ny vadiny, i Oprah Winfrey, malaza sy tiam-bahoaka dia tsy mahagaga raha "Mr Oprah" no ahaizan'ny olona azy.

Kanefa dia azo lazaina fa tsy latsa-danja koa ny anjara toerany satria mpanoratra, mpanao valandresaka, mpandraharaha, mpikirakira haino aman-jery i Stedman Graham. Izy ihany koa no nanangana ny "Leadership Institute" ao Chicago, sy ny "Athletes Against Drugs", izay fikambanana mikendry ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fiainana mendrika ara-pahasalamana ho an'ny tanora amerikana.

Ny taona 1986 no nifankahalalan'izy sy Oprah ary dia nifanjohy teny foana izy ireo hatramizay. Nifamofo ny taona 1992, saingy tsy niroso tamin'ny fanambadiana kosa. Raha notanterahinay izany dia mety ho efa nisaraka efa ela izahay, hoy i Oprah raha niresaka tamin'ny mpanao gazetin'ny Vogue izy.

 

Don Gummer

Angamba mety tsy misy hakana aina mihitsy ny manambady ka voatery manaraka ny hazakazam-piainan'i Meryl Streep, mpilalao sarimihetsika intelo nandrombaka ny Oscar. Kanefa tsy miteraka olana izany ho an'i Don Gummer vadiny, mpanao sokitra, izay teo anilany hatrany nandritra ny 40 taona mahery. Efatra ny zanak'izy ireo ary nanaraka an'i Meryl hatrany i Don tamin'ireo fotoana lehibe nanamarika ny asany.

Ho azy indrindra ny teny voalohany nivoaka ny vavan'i Meryl tamin'ny 2012 raha notolorana ny Oscar fahatelo izy : “Tiako ho fantatrao fa izay rehetra nahatalanjona ahy tamin'ny fiainantsika, dia ianao no nanome izany.” 

Don Gummer kosa dia fantatra amin'ireo asa-sokitra vaventy vita amin'ny vý, viraty ary fitaratra miloko. Efa maro ireo fampirantiana nataony ary nahazoany mari-pankasitrahana mihaja. Ilay sanganasany antsoina hoe "The South Tower" ao Indianapolis, ohatra, dia nataony ho fanomezam-boninahitra ireo lavo tamin'ny 11 Septambra.

 

Alexis Ohanian

Araka ny filazan'ny gazety Forbes, dia azo antsoina hoe Ben'ny tanànan'ny aterineto i Alexis Ohanian, vadin'ilay mpilalao tennis malaza, Serena Williams. Isan'ny nanorina ny Reddit ity tanora mpandraharaha ity. Ny Reddit dia iray amin' ireo sehatra fampitam-baovao matanjaka ao Etazonia.

Raha novinavinaina dia mahatratra 70 tapitrisa dolara eo ny fari-pananany tamin'ity taona ity, ary raha atambatra amin'ny an'i Serena vadiny dia tafakatra 189 tapitrisa dolara.

Tamin'ny 2015 no nihaonandrizareo voalohany ary nifamofo herintaona taorian'izay. Tamin'ny septambra 2017 dia nahazo vavikely izy ireo, ary ny volana novambran'io taona io no natao tamin'ny fomba manetriketrika tany New-Orleans ny fanambadiana.

Nandritra ny anterivava iray no nilazan'i Serena fa tsy manalefaka ny hazavany akory ny vadiny. Izy indray ary, hoy izy, no manao izay hampazava ahy, eny fa na dia tsy faniriako aza izany indraindray. Manosika ahy hanao zavatra tsy takatry ny eritreritra izy. Tamin'ireo niarahako taloha dia ambany ny hazavako. Fa ankehitriny kosa aho dia afaka mamiratra sy manatanteraka izay tiako.

 

Daniel Moder

Nambabo ny fon'ny maro tamin'ireo sarimihetsika nolalaoviny i Julia Roberts teo anelanelan'ny taona 90' sy 2000, ka nahatonga azy nahazo anaram-bositra hoe "fofombadin'i Amerika". Fa ny tokana nandrombaka ny fony kosa dia i Daniel Moder, talen'ny pikasary sady mpanodina horonantsary, nifankahafantatra taminy nandritra ny fanatontosana ilay sarimihetsika "Le Mexicain", tamin'ny taona 2000.

Efa ny 2002 vao nankalazaina tamin'ny fomba ofisialy ny fiarahan'izy ireo ary tonga nameno isa ny fianakaviana ny zaza telo avy teo. Araka ny nambaran'i Julia  Roberts dia ireo vady aman-janany no tena antom-piainany. Na samy miasa eo amin'ny sehatry ny famokarana sarimihetsika aza izy mivady dia tsy mba nisehoseho loatra izy ireo fa niezaka nitaiza ny ankizy lavitry ny fakantsary.

Ireo horonana nahalalana an'i Daniel ohatra dia : "Ennemi d’État", "Mr. & Mrs. Smith", "Spider-Man 3" ary "The Normal Heart" izay nahatonga azy ho isan'ny voatonona tamin'ny Emmy Awards.

 

Andrew Upton

Na atao aza hoe samy matihanina sy mpiara-miasa eo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika izy roa, dia tsy fanta-daza toa an'i Cate Blanchett vadiny i Andrew Upton.

Tamin'ny 1997 no nampakatra an'i Cate ho vadiny i Andrew, mpanoratra tantara, mpiantsehatra, mpanatontosa sarimihetsika aostraliana. Efa mahazatra azy ny miaina ambany aloky ny vadiny ka nahatonga azy nantsoina hoe "ny tànana", satria io no ampahan'ny vatan'i Andrew "nokajian'ireo" talen-gazety rehefa hanova sarin'i Cate izy ireo alohan'ny hamoahana azy.

"Efa ela izahay no nifankahalala, hoy ny fitantaran'i Cate Blanchett, saingy tsy nifankahazo tany am-boalohany". Efa tafahaona nilalao poker izy ireo vao nanomboka niaraka ary 21 andro taorian'izay dia nifamofo ary nivady. Efatra ny zanak'izy ireo ankehitriny.

 

Rondro Volantsoa