Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina, notendren'ny Papa Ray Masina ho kardinaly.

Nandritra ny Vavaka ho an'i Masina Maria Mpanjavavin'ny Lanitra tamin'ny alahadin'ny Pantekoty no nanoloran'ny Papa Ray Masina ny anaran'ireo kardinaly vaovao 14 mirahalahy, ka isan'izany i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina sady Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka malagasy.

Amin'ny alahady 29 jiona 2018 izao, Fetin'i Masindahy Piera sy Paoly, no hiantsoan'ny Ray Masina ny ny Fivorian'ny Kardinaly hanendrena azy ireo amin'ny fomba ofisialy.