Mpanohana ny ekipan'i Denizlispor tsy nanaiky gisitra.

 

Turkia : voasazy tsy mahazo manatrika lalao ao an-kianja mandritra ny herintaona ity ranamana mpanohana ny Denizlispor ity. Saingy tsy tantiny ny tsy hanatrika ny fifandonan'ny ekipany tamin'ny Gaziantepspor ka nahitany hevitra : lasa izy nanofa irony fampakarana entana mavesatra irony, naantsony tsy lavitra ny kianja dia avy teny izy no nijery ny lalao.

Mazava ho azy fa tonga ny mpitandro filaminana nanala azy teny. Fa mba naharesy 5 - 0 aloha ny ekipany, angamba nahazo angovo nahita ny hafanam-po tafahoatra.