Nat, Ilay tovovavy voloina indrindra eran-tany.

Tovovavy tailandezy 18 taona i Supatra Sasuphan, na i Nat ho an'ireo namany akaiky. Taizan'ny "aretin'i Ambras" izy, izay antsoina ihany koa hoe "aretin'ny ambodia" satria dia tsy mitsahatra maniry volo ny tenany, hatreny amin'ny endriny. 

Tamin'ny taona 2010 izy dia voahosotra ho "Vehivavy voloina indrindra eran-tany". Mbola vao 10 taona izy tamin'izany ary na i Marco Frigatti, izay mpitsara tamin'izany fifaninanana aza dia niaiky fa tena zaza mendri-piderana i Supatra satria tsy mba manana olana izy fa ireo manavaka azy noho ny toe-batany no mahabe olana. "Tsy mahatsiaro tena ho hafa amin'ny olona rehetra aho, hoy i Nat. Tsy manelingelina ahy intsony koa ireo volo ireo, miezaka tsy mihaino izay fanarabirabian'ny olona aho fa izaho aza manana namana maro be tia ahy any am-pianarana" 

Miaina ny fiainany toy ny vehivavy rehetra i Supatra, ary amin'izao faha-18 taonany izao dia niroso tamin'ny fanambadiana ihany koa izy. Tamin'ny andro mariazy sy taoriany, hoy ny rainy, dia manohy miharatra  izy fa ilay aretina kosa dia mbola tsy afaka akory. Toa mbola tsy nahitana fanafana akory aza ilay izy satria olona 50 farafabetsany no azon'io aretina io eran-tany. Manantena anefa izy fa mbola ho voatsabo indray andro any.