Papa Fransoà: Tsy maty momoka ny vavaka ho an'ny fandriam-pahalemana

Nandritra ny dia tamin'ny fiverenan'ny Papa Fransoà avy any Korea atsimo dia nanao valandresaka ho an'ny mpanao gazety teny ambony fiaramanidina nandritra ny adin'ny iray mahery izy. Tao anatin'izany dia nisy mpanao gazety iray nanontany azy raha nilaina ny vavaka izay natao ho an'ny fandriam-pahalemana any Palestina tao Vatican tamin'ny 8 jiona 2014. Tamin'io fotoana io tokoa mantsy dia nihaona sy niara-nivavaka tao Roma ny Papa sy ny filoham-panjakana Israely sy Palestiniana natrehan'ny Patriarka Bartolomeo. Vavaka ho an'ny fandriam-pahalemana ao amin'ny faritra afovoany antsinanana, indrindra amin'ny sisin-tanin'i Gaza. Mandritra izao fotoana hisian'ny ady mangotraka any Gaza izao dia mampanontany tena tokoa raha nisy vokany na tsia iny fiaraha-mivavaka iny.

Novalian'ny Papa tamin'izany ary fa nilaina dia nilaina tokoa iny vavaka iny. Voalohany indrindra, hoy izy, dia tsy avy aminy velively ny hevitra hisian'ny fihaonana tao Vatikana fa avy tamin'ireo filoham-panjakana roa tonta. Naniry ny hiara-hivavaka ho an'ny fahandriam-pahalemana izy ireo nefa tsy nahita toerana tsy miankina hanaovany izany vavaka izany koa nanolotra ny Vatikana ho toerana hiombonam-bavaka ny Papa. Iny vavaka natao iny dia mampiseho fa misokatra ny varavarana, hoy ihany ny Papa. Misy ny fanantenana. Marina fa misy ny baomba sy ny fahasimbana, takon'ny vovoka ilay varavarana, fa mbola misokatra. Ilaina hatrany, noho izany ny vavaka, hoy izy namarana ny valinteniny.

Nandritra ity valandresaka ho an'ny mpanao gazety ity dia nanao jery todika ireo ady izay mafàna manerana ny faritra maro ny Papa ka nilaza fa efa ao anatin'ny ady lehibe fahatelo tokoa isika saingy mitsipotipotika fotsiny izany.