Rabý sy Pretra ary Tsy Mpino miresadresaka fivavahana eo am-pifohana rongony.

 

Ary satria tsy voararan'ny lalàna ny fifohana zava-mahadomelina ao Washington nanomboka tamin'ny 2015 dia nanapa-kevitra hanao fanandramana hafakely izy telo mirahalahy ireto dia ny hiresaka momba ny finoany sy ny firehany avy eo am-pifohana rongony.

Teny am-panombohana dia somary nafanafana ny adi-hevitra, samy niaro mafy ny heviny sy ny finoany. Antsasak'adiny taty aoriana dia nanomboka nidina ny maripana, ilay tsy mpino niala tsiny fa nahatafavoaka teny tafahoatra, ny rabý niteny taminy anefa fa "fa toy ny mahita ny tavan'Andriamanitra aho mahita anao. Olon'ny finoana ianao".

Lasa ny adiny iray dia hadinon'izy ireo tanteraka ny fahasamihafany, teraka teo ny fifankatiavana ary samy nifampitso-drano araky ny finoany avy izy ireo.

Ka asa re, ilay zava-mahadomelina izay manova ny fijerin-draolombelona ve azo atao fitaovana hampanjaka ny fandriampahalemana eran-tany ? Jereo ihany aloha ny horonantsary, vakio ihany koa ny hevitra manaraka azy ao raha mahaliana anao...