Resaka nataon'ny ministry ny Fahasalamana tamin'ny RFI momba ny pesta.

 

Raha niresaka tamin'ny mpanao gazetin'ny RFI ny ministry ny Fahasalamana, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, tamin'ny 8 oktobra 2017 dia nanambara fa efa mandray an-tànana ny toe-draharaha ny fanjakana.

Matoa hoy izy tsy mbola nisy ny fandraisana fepetra raha tsy tapa-bolana taorian'ny maty voalohany tany Moramanga dia satria mbola tsy nahazo fanamarinana tamin'ny mpitsabo izahay fa tena pesta no nahafaty io olona io. Fa nony efa voamarina kosa dia avy  hatrany dia niditra an-tsehatra ny fitondrana.

Raha nanontaniana izy hoe tsy be loatra ve raha olona 1 isaky ny 2 andro no matin'io aretina io nanomboka tamin'ny 28 aogositra, dia nolazainy fa noho ilay izy pesta mahazo ny havokavoka mitranga any an-tanàn-dehibe no anton'izany. Ny faritr'i Moramanga, toy an'i Tsiroanomandidy ihany koa, Andramasina sy ny manodidina, hoy izy, dia faritra misy pesta. Faritra ambanivohitra ireny ka misy tranga-na pesta 300 ka hatramin'ny 600 isan-taona ka ny 30 ka hatramin'ny 70 amin'izany dia ilay mahazo ny havokavoka. Ary efa zatra miatrika ireo tranga any ambanivolo ireo ny tompon'andraikitra ara-pahasalamana fa noho ity iray ity ety an-tànan-dehibe dia tena manao ezaka be mihitsy ny fanjakana nandray ny adidiny fa raha tsy izany dia saika betsaka noho ireo ny aina nafoy.

Tsy be fanahiana anefa izahay, hoy ny ministra, na dia sarotra aza ny asa satria Madagasikara dia manana mpiray antoka ara-bola maro ary mambran'ny OMS rahateo  izay manana tetibola hanampiana ny fanjakana malagasy ka vonona hanokana 1 tapitrisa dolara entina hiady amin'ity valan'aretina ity.

Tamin'ny fanontaniana farany napetraka taminy momba ny torohevitra omeny ny vahoaka izay misafotofoto tokoa ankehitriny ka mirohotra mividy aro-vava sns, dia napetrany mazava fa mbola "valan'aretina kilasy faharoa" izy io, zany hoe antonontony fa tsy mbola mahery vaika. Tsy mbola misy rahateo ny famerana ny fidirana sy fivoahana an'i Madagasikara satria tsy atahorana ny mety hahalasa azy ho olana iraisam-pirenena. Fa ny tena ezahan'ny fanjakana ankehitriny dia ny fanetanana ny daholobe amin'ny fitandroana ny fahadiovana ary ny fanatonana tobim-pahasalamana raha vao vao misy ahiahy kely sy mahatsapa fambara momba ity aretina ity. 

Noanteriny fa rariny raha matahotra ny vahoaka satria betsaka loatra ny resaka mandeha saingy tsy misy tokony ahiana satria azo atao ny misakana ny tsy hiaviany, ary azo atao tsara ny mitsabo.