'Sady tsy kiribiby amin'ny fitsaboana no tsy fahafatesana iriana', hoy ny Papa Fransoa.

 

 

Nisy fihaonana eoropeana nataon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fitsaboana teny amin'ny Vatican ny 16 sy 17 novambra lasa teo. Roa andro nikatrohan'ireo mpitsabo, mpahay lalàna, mpandinika ny teolojia sy filozofia, ka niresahana sy niadiana hevitra momba ny zon'ny marary, ny fetran'ny fitsaboana sy ireo hevitra maro manodidina ny fiafaran'ny aina. 

Tamin'ny fanokafana io fihaonana io ary dia nandefa hafatra i Papa Fransoa ho an'i Mgr Paglia, Filohan'ny "Académie Pontificale pour la Vie", isan'ny mpikarakara ity fikaohan-doha ity. Hafatra nanamafy ny hevitra ijoroan'ny Fampianaran'ny Vatikana momba ny fitantanana ny marary ambavahoan'ny fahafatesana : "sady tsy kiribiby amin'ny fitsaboana no tsy fahafatesana iriana (euthanasie)". Ka manoloana ny fandrosoan'ny teknika sy ny siansa hanalavana ny andro iainana dia manao antso avo ihany izy ny handinihana ny zava-misy mba hialana amin'ny "fitsaboana mafana fo loatra"

​"Marina fa nahafahana nanilika aretina maro, nanatsara ny fahasalamana ary nanalavana androm-piainana ny fandrosoana eo amin'ny siansa. Marina fa betsaka ny nandaitra ny fandidiana sy ny fitsaboana isan-karazany kanefa tsy izy rehetra no mitondra soa : manampy ary mety mahasolo mihitsy ny asan'ireo taova simba aza izy ireny saingy tsy mahasolo ny fanatsarana ny fahasalamana. Koa apetraka amin'ny fahendrentsika ny tsy ho alaim-panahy hikiribiby hampiasa ireny fitsaboana mahery vaika ho an'ny vatana ireny kanefa tsy voatery hisy vokatsoa ho an'ny marary iray", hoy  ny Papa tamin'ity HAFATRA ity.