Sasha DiGiulian no vehivavy nahaanika an'i Mora Mora voalohany indrindra. Tanatin'ny telo andro no nanaovany izany.

 

 

Tamin'ny volana jolay 2017 iny no nahatontosa ny fianihana an'i Mora Mora, ao amin'ny lemak'i Tsaranoro (​Fianarantsoa) i Edu Marin sy Sasha DiGiulian

Tamin'ny taona 1999 no efa nanokatra ny lalàna Mora Mora i Francisco Bianco sy Toti Valès, espaniola. Ny taona 2010 kosa no nahaanika azy tamin'ny "free climbing" i Adam Ondra sy Pietro Dal Prà.

Dia izao namerina azy izao i Edu sy Sasha ka tanatin'ny telo andro no nahavitan'izy ireo ny fianihana. I Sasha DiGiulian, amerikana, izany no vehivavy voalohany nahaanika azy.

Malaza eran'izao tontolo izao ity rindrim-bato granita ao amin'ny valanjavaboaharin' Andringitra ity ary manintona ireo atleta kalaza amin'ny fianihana. 700 metatra ny haavon'i Tsaranoro Atsimo misy an'i Mora Mora, 800 metatra i Tsaranoro Be ary 600m i Tsaranoro Kely.