Voamarina omaly ny olona faha-1643 namoy ny ainy tamin'ny fanjerana fiaramanidina ny World Trade Center tamin'ny 11 septambra 2001.

 

18 taona atý aorian’ ilay fanafihana nampivarahontsana an’izao tontolo izao, dia ny fandarofana tamin’ny fiaramanidina ireo Tilikambo Kambana an’ ny World Trade Center  ao New York, sy ny Pentagone, foiben'ny Fiarovam-pirenena amerikana, dia fantatra izao ny olona faha-1643 tamin’ireo 2753 namoy ny ainy tamin’io ady fampihorohoroana nataon’ny Al-Qaïda io.  

Mbola tsiambaratelo ny anarany hatreto. Tamin’ny taona 2018 ny anarana fantatra farany. Lokaloka nataon’ny Birao Mpiandraikitra ny fikarohana amin’ny alalan’ny fampitahana ny  ADN fa tsy maintsy ho hay avokoa ny anaran’ireo maty na dia mbola misy 40% aza - izany hoe olona arivo mahery - no tsy voamarina hoe iza.  

Ankehitriny moa dia dobo lehibe misy dobo zanany ihany koa, ary ikorianan’ny rano tsy miato no naorina eo amin’ilay banga nijoalajoalan’ireo Tilikambo Kambana nidaraboka. Ary tsy lavitra eo no nananganana ny solon'izy ireo dia ny One World Center, antsoina ihany koa hoe Tilikambon'ny Fahafahana, izay misy rihana 104. Ny taona 2012 no nametrahana ny biriky voalohany ary ny taona 2013 no voapetraka tanteraka hatramin'ny tendrony.

 

 

 

Rondro Volantsoa