Voarara any Russie ny Vavolombelon'i Jehovah.

Nanomboka tamin'ny 20 aprily teo dia noraran'ny Fitsarana Faratampony ao Moscou ny antokom-pinoana Vavolombelon'i Jehovah ao Russie noho izy heverina ho "maherifihetsika" ary "ahiana hanakorontana saim-bahoaka sy ny filaminana" Nekena arak'izany ny fangatahan'ny Ministeran'ny Fitsarana amin'ny hanakotanana ny foiben'ity fikambanana ity ao Saint Petersbourg.

Naneho ny hatezerany ireo lohandohany ao amin'ny fikambanana. "Tsy mampino raha amin'ny vanimpotoana tokony hampalalaka ny finoana no itrangan'izao. Sanatria toa miverina any amin'ny andron'ny faha-Firaisana Sovietika. Fa tsy hiala eto Rossia izahay ary hanohy ny fihaonana sy vavaka fanaonay na dia hampigadra anay aza izany", hoy  i Iaroslaw Sivulskij izay nilaza fa hampakatra ny raharaha any amin'ny Fitsarana Ambony Eoropeana.

Raha noheverina fa mpanohitra ny firehan-kevitra sovietika ny Vavolombelon'i Jehovah ka nohenjehina mafy nandritra ny Ady Lehibe faharoa, dia efa tamin'ny taona 1991 taorian'ny faharavan'ny Firaisana Sovietika vao niverina nitory ny finoany tao indray.