Antony iray nampiasana ny antsy tamin'ny taon-jato faha-XVI tany Italia.

Nalaza fa tian'ny vahiny nasaina hisakafo tao Italia ny mihira tamin'ny taonjato faha-XVI izay fotoana nahazoan'ny artista vahana tokoa tao amin'io firenena io. Fa ny tsy nampoizina dia ny fomba fampiriman'izy ireo ny sorapeo mba ho mora raisin'ny tanàna : nosoratany teo amin'ny antsy. Izany hoe ankoatran'ny ilana azy hanapahana hena dia miantoka ihany koa ny fialam-boly hariva ny antsy.

Miparitaka eny amin'ny tranom-bakoka maro eran-tany ireo antsy ireo, toy ny ao amin'ny "Victoria & Albert Museum" ao Londres sy ny "Fitzwilliam" ao Cambridge. Araka ny nambaran'i Kirstin Kennedy, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Victoria & Albert Museum dia tsy mbola mazava aloha hatreto ny tena fampiasana ireo antsy ireo, na dia azoazontsika an-tsaina ihany aza raha ny endriny no jerena satria ilay karazany izay voatahiry ao amindrizareo dia misy lelany iray maranitra, hanapahana hena mazava ho azy, saingy ilay sakany be velarana kosa dia mety natao handrosoana ny hena amin'ny vahiny.

Samy manana ny tondrompeo voasokitra aminy tsirairay avy ireo lafin'antsy roa. Ary isaky ny antsy dia misy andininy iray avy ho an'ny mpihira. Araka izany, ny fitambaran'ny antsy maromaro dia ahatsanganana antoko mpihira iray.
Samy manana ny lohaheviny ireo lafin'antsy roa. Ny iray ahitana fitsofan-drano - "Andriamanitra anie hitso-drano ny sakafo hohanintsika" - ary ny iray fisaorana hiraina aorian'ny sakafo - "Misaotra anao izahay Andriamanitra tamin'ny fahalalan-tànanao."

 

Rondro Volantsoa