Biby olona hono

Miparitaka be indray amin'izao fotoana izao ny fisian'izany biby toa olona, be volovolo, mampatahotra amin'ny alina amin'ny faritra maro ao Antananarivo izany. Misy mihitsy ny mijoro ho vavolombelona milaza fa nahita maso. Misy aza moa ny manaparitaka sary hoe nalaina tamin'ny finday. 

Rahefa nojerena ny sary miparitaka dia sary avy amin'ny internet avokoa. Notadiavina tamin'ny google ohatra dia hita fa sary avy any Islamabad any Pakistan izay mety efa tsaho sy sary namboarina ihany koa aza.

Ho an'ny mpandinika ara-piarahamonina dia tsaho avy hatrany ilay izy. Tsy voalohany no misy tsaho miely tahaka izao eto amin'ny firenena. Mifanandrify hatrany amin'ny toe-draharaha politika izy ireny matetika. Misy fomba maromaro hanehoana fa mikorontana ara-politika ny firenena. Ny voalohany amin'izany dia ny korontana arahana tabataba toy ny grevy sy ny tolom-bahoaka. Fa ny fomba iray kosa dia ny fampihorohoroana anaty amin'ny alalan'ny tsaho. Rehefa tsy mahomby ny fomba voalohany noho ny famoretana isan-karazany dia miditra amin'ny fomba faharoa ny olona. Mampihorohoro anaty mba hahafahana milaza fa tsy misy intsony ny fandriam-pahalemana. Efa nisy ny resaka bibiolona tamin'ny fitondran-dRatsiraka, nandritra ny fotoana izay tsy nahafahan'ny vahoaka nitroatra. Nony farany moa dia nitroatra ihany ny vahoaka ka nangina ny fampihorohoroana anaty.

Koa ny ahiana dia ho tahaka izany ity resaka bibiolona vaovao ity. Efa madiva hipoaka ny sarom-bilany?

 

Hatramin'izao aloha, ny porofo fa nisy olona voakaikitry ny biby dia teny Ambatobe. Nisy olona telo nilaza fa voakaikitry ny biby lehibe kokoa noho ny saka ary voloina be sy mitsambikimbikina.