Boky Hasin-Kabary

FIKAMBANAN’NY MPIKABARY ETO MADAGASIKARA
Sampana Frantsa

« Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny  kabary»
« Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany»
«Kabary hery sy haren’ny teny malagasy; kabary antsika jiaby»

Finday : 33(0)6 09 04 40 67        

Imailaka : fimpima.frantsa@gmail.com
Siège social: 17 rue de l’Avre – 75015 PARIS
                                            

Manolotra ny arahaba omban-drary anao tompoko.

Amim-pifaliana no hizarana aminao fa tontosa soa aman-tsara ny alakamisy 01 desambra 2011 lasa teo  ny famoahana ny boky "HASIN-KABARY 1- 2 - 3 ", akon'ny 10 taona nampianaran’ny Filoha Nasionalin’ny Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara (FI.MPI.MA.) ANDRIAMBOAVONJY Hanitra Ravaomalala kabary.
Boky kabary ahafahanao mampiana-tena izay ahitana lesona 30.
Boky mirakitra kabary sy fombam-pitenenana an-kafaliana sy an-karatsiana samihafa, kabary manam-pahefana isan-tsokajiny, santionan-kabary miisa 30.

Tsara endrika ny boky ka azo atao fanomezana Noely sy Taom-baovao

Voalaza ao amin’ny teny fanolorana nataon’ny Filohan’ny Akademia Malagasy ny hoe : “Aminay dia boky feno, ampy hanovozam-pahalalana sy hanitaram-pahaizana ary handalinana ny talenta ity boky ity. “Isa fa tsy roa” amin’izay boky fianarana kabary, araka ny fahalalanay, ka mendrika ho eo am-pelatanan’ireo manana andraikitra amin’ny sehatra samihafa, hanampy azy ireo amin’ny fandrafetana kabary, hampanan-danja ny vaninandro miavaka itenenany”.

Ho antsika aty am-pitan-dranomasina dia aza misalalasala manafatra ireo boky Hasin-kabary  1-2-3 ireo amin’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa

Ny vidin’ireo boky telo ireo dia telo-polo euros (30 euros), miampy ny saran’ny fandefasana azy (frais de port).

Mankasitraka indrindra tompoko, mamakia finaritra

Mirary noely sambatra sy taona vaovao feno fahasoavana ho anao sy ny ankohonanao. Ho tahian’Andriamanitra lalandava.

Ny Filohan’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa
RAMANDRAIVONONA Dera
06 09 04 40 67

Aza misalasala mampita ity filazana ity amin’ireo tapaka sy namana ary fianakavianao