'Education for Madagascar' sy ny anjara birikiny hanampiana ny zaza malagasy.

Ny fianarana no fitaovam-piadiana matanjaka indrindra hahafahana manova izao tontolo izao”, io tenin’i Nelson Mandela io no filamatra entin’ny Fikambanana "Education for Madagascar" eo am-panatontosana ny fanambiny : hioirana, na fara-faharatsiny hampihena ny fahantran’ny zaza malagasy.

Raha zaza 20 no nokarakaraina tany am-boalohany, tamin’ny volana septambra 2010 –  fianakaviana iray no nanolo-tena hiantoka ireo zaza ireo tamin’izany – dia efa tafakatra 50 izy ireo ankehitriny ka nahatapa-kevitra azy ireo hanorina ny “Education For Madagascar” mba hahafahana manohy izany drafitr’asa efa natomboka izany. Kanefa dia mbola misy ankizy 745 eo am-piandrasana ny ho raisina anaty Fikambanana, isan’ny tanjona ezahana hotratrarina.

Eny Ambohibe-Ilafy no foibeny, Fikambanana laika, tsy manana firehana na ara-politika na ara-pinoana. “Maro ny olana atrehana, indrindra amin’ny firenena sahirana toa an’i Madagasikara, hoy ny Filohan’ny Fikambanana, Jackie Randriantsoa, ady hatrany ny fiainana satria ny tena fototry ny fiainana mihitsy no tsy ampy. Kanefa mikiry izahay, mankahery hatrany koa ireo zaza, manao izay hahatafita azy ireo amin’ny fianarana satria ny zaza ankehitriny no ho olon-dehibe hiantoka ny ampitso.”

Mianto-tena hatrany fa tsy mandray fanampiana avy amin’ny fanjakana ny “Education for Madagascar”. Ankoatra ny fanomezana avy amin’ireo malala-tànana, olon-tsotra na orinasa, dia misy koa hetsika fampidiram-bola izay isaorany indrindra ireo namana manan-talenta, na amin’ny zavakanto na amin’ ny asa-tànana, ka manolotra ny vokatra hanampiana ny Fikambanana. (Ireto avy ireo MPIRAY DIA aminy ireo). Avy amin’ireny noho izany no hanonerana ny hatsembohan’ireo mpanabe izay mandray karama toy ny manan’asa rehetra. Nefa tsy latsa-danja ihany koa ny anjara birikin’ ireo manolo-tena maimaim-poana rehefa mila tànana ny Fikambanana, toy ny mpampianatra fiteny vahiny, ny mpanofana amin’ny lafiny solosaina, ny mpitsabo izay tonga  mizaha ara-potoana ny toe-pahasalaman’ny ankizy, sns.

Maro tokoa ny taranja ampianarina azy  50 mianadahy, izay eo amin’ny 13 taona eo ho eo ny sala-taonany. Ny teknolojia koa dia isan’ny tena manampy betsaka, toy ny fianarana teny vahiny amin’ny aterineto, indrindra fa efa hipetraka atsy ho atsy ny tetikasa “Famakiam-boky an-tendry lavitra”, ka tsy ho ela dia afaka hamaky boky amin’ny solosaina ireo ankizy isaky ny asabotsy maraina rehefa tonga ireo fitaovana. Marihina fa raha “tablette” iray izay manana fahana 16 GB dia manana tolotra boky 14.000 eo ho eo, izany hoe sady mampihena ny fandaniana vola mandefa boky mankany Madagasikara izany no mampihena ny fotoana lany sy ny elanelan-tany. Ary manampy rahateo ireo ankizy hamaky sy hanoratra amin’ny teny vahiny, indrindra fa misy hatrany ireo mpanabe manara-maso sy manampy azy ireo.

Tsy izay ihany anefa fa ny lafiny ara-kolotsaina koa dia tafiditra anaty fandaharan’asa : hosodoko, mozika, dihy, fikarakarana zaridaina. Eo koa ny fivoahana any ivelany, manokatra ny sain’ ireo ankizy hahita toerana hafa noho ny isan’andro (ranomasina, tendrombohitra, sns)

Tsy ho ampy ny fotoanantsika raha hotanisaina eto daholo izany fa afaka mitsidika ny vohikalan’ny Fikambanana ireo izay liana ary miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra : EDUCATION FOR MADAGASCAR

Izahay kosa dia mankahery sy mirary soa hatrany ireo mpikambana rehetra amin’izao andraikitra lehibe iantsorohan’izy ireo izao ; eny, tsy izy ireo irery fa ireo rehetra manao zay vitany, na isam-batan’olona, na isam-pikambanana, ho fanasoavana ny mpiara-belona. Ary misaotra manokana ny “Education for Madagascar” nahafoy fotoana nanolotra ity tafatafa ity na dia maro aza ny adidy mahatana azy ireo tsirairay avy.