Fanambarana avy amin'ny syndikàn'ny artista malagasy.

 

Amin’ny anaran’ny mpanakanto Malagasy rehetra miombom-po amin’ny Syndikà no anaovana izao fanambarana izao.

Ny Syndikàn’ny Mpanakanto dia manameloka etoana

- Ny fisetrasetràna tany manan-tompo izay efa natolotra ho an’ny kololona iraisan’ny besinimaro. Ohatra: ny velarantanim-pianakavian'i Gégé Rasamoely izay efa natokan’ny fianakaviany ho kianja fampiadiana akoho ho an’ny rehetra mpandàla izany.

- Ny fijabahana amin’ny fiainana manokana an’olona, miampy henjika sy ompa ary fandrahonan-ko faty. Ohatra : D-Lain sy ny safidy fanambadiany.

- Ny fiangàrana nampiharina tamin’ny mpanakanto, mpandrahàraha ara-kololona mampivelona tokantrano maro, izay noporetina tsy nahatanteraka ny asa fivelomany. Sady tsy nosandaina honitra velively no niampy tsy fandraharahàna ankitsirano. Ohatra : Festival Hay, Lalatiana Palais des Sports, sns.

- Ny fanakànana am-bontolo ny mpanakanto tsy hanao fampisehoana imasom-bahoaka na dia efa nefaina ara-dalàna avokoa aza ny fepetra ara-panjakana. Mbola niampy fandrahonana novesarina fikasihan-tànana fandratràna. Ohatra: Rossy tany Soanierana-Ivongo.

- Ny fandratràna, famonoan-ko faty ny mpanakanto nohon’ny antony isan-karazany. Ohatra: Sareraka, Vahömbey, Rachicky.

Ny Syndikàn’ny Mpanakanto Malagasy dia manambara mazava etoana hoe:

“ Ny mpanakanto, amin’ny alàlan’ny fanakantoana sy ny kololona, no hany mahavita manambatra Firenena ho iray. N’inon’inona fahasamihafana. Na fihevitra. Na firehana. Na fiaviana. Na firazanana.”

Natao izao fanambarana izao mba hampody fanahy ny besinimaro. Na olon-tsotra. Na olom-panjakana.

Ny nenina, tompoko, tsy hialoha hanànatra fa ho ao aoriana handatsa.

Samy miandràndra Malagasy Vanona sy Madagasikara finaritra isika mianakavy.

Lohalaharana amin’izany adidy makadiry izany ny mpanakanto satria Olona no koloina.

Hoy ny mpikambana anivon’ny Syndikàn’ny Mpanakanto Malagasy manerana ny nosy,

 

Antananarivo, 17 novambra 2017.