Fiarakodia mampiray ny rainy efa nodimandry sy ny zanany.

 

Mbola vao 9 volana i Justin no lavo tany Iraq, teo am-panompoana tanindrazana ny rainy, Jonathan Rozier, nefa dia mbola niresaka tamin'i Jessica vadiny izy ora vitsivitsy talohan'ny nahalavoany, ary mbola nifanome vaovao momba an-janany rizareo.

Somary niditra fahasahiranana izy mianaka taorian'izay ka nanapa-kevitra i Jessica hivarotra  ny fiara mba hahafahana mamerina ny volan'ny banky nividianana ny trano.

Nitombo teny i Justin Rozier ary nihanitovy tsisy valaka tamin-drainy. Nanomboka notadiaviny sy navoakany avokoa izay rehetra momba an-drainy, na sary na firavaka sns, ary tena faniriany ny hanana ny fiaran-drainy. Nony feno 15 taona izy dia tsy hainy fa toa te hipetraka teo amin'ny familiana ilay fiara izany foana, handre ny fitsokan'ny rivotra amin'ny volony ary hahatsapa fa tsy lavitra azy ilay nanome aina azy.

Tsy nahatsindry fo reniny ka nivonona hitady ilay fiara Toyota. Ny tambazotra sosialy no hitany làlana haingana indrindra hahitany azy. Na tsy dia nanantena firy aza izy dia niroso ihany noho ny fitiavany an-janany : "Tsapako hoe io no hampiray azy aminy", hoy izy.

Nampihetsipo ny maro ilay fangatahany hany ka maro dia maro tokoa no nizara ilay hafatra. Akory ny hafaliany fa hita tokoa ilay fiara. Rehefa niresaka tamin'ilay tompony ankehitriny izy, ary na tsy nanana eriteritra hivarotra azy aza ity farany ity dia nahita marimaritra niraisana ihany izy ireo ka afaka novidian'i Jessica ilay fiara na dia efa tsy tsara intsony aza ilay izy no sady mbola mila volabe ny fanamboarana azy.

Tamin'izay fotoana izay no nahalalan'i Kyle Fox ilay tantara ka nahatonga azy niditra an-tsehatra hanampy an'i Jessica. Nanao hetsika fitadiavam-bola izy ireo ary nony voavidy ny fiara dia nangataka ireo namany tsara sitrapo i Kyle tamin'ny fanamboarana ny fiara.

Ranomaso ny azy mianaka nony tonga ny fitsingerenan'ny faha-15 taonan'i Justin tamin'ny faramparan'ny taona 2017 iny raha vory teo anoloan'ny trano ny namana sy havana nanatrika ny fanolorana azy ilay fanomezana tsy nampoiziny :