Hiandry an’i Maihol ve vao hiova ny mpitondra ?

Fa
maninona tokoa moa ity firenentsika ity no tsy mety afaka krizy sy
sahiran-dava izao ? Fanontaniana misy valiny be dia be io saingy tsy
fantatra amin’ireo valiny maro ireo hoe inona no tena mari-pototra.
Zavatra vitsivitsy ihany no ho tsipihina eto. Fomba fanao maharikoriko
sy mankaleo ka tokony asiana fiheverana. Ny famoronana antoko politika
rehefa tonga mpitondra no voalohany amin’izany. Tsy hoe ny antoko
politika no tsy tiana fa ny fomba fanao no tsy mety. Tamin’ny
andron-dRatsiraka dia efa teo amin’ny fitondrana izy vao namorona ny
AREMA, tamin’i Zafy dia tahak’izany, Ravalomanana namorona ny TIM rehefa
tonga filoha ary i Andry dia natao antoko politika koa ny Association
TGV. I Ratsirahonana ihany koa dia efa nitondra vao nilaza ny fisian’ny
« Asa Vita no Ifampitsarana ». Ny voka-dratsin’izany dia tsy manana
« culture politique » akory ireo olona ireo, tsy manana ny fomba
fiainana ara-politika hitondrana ny vahoaka hany ka tsy misy manaiky ny
atao hoe « fifandimbiasan-toerana » na « fifandimbiasam-pitondra ».
Jereo ny tantara fa tsy nety niala Ratsiraka, noterena hiala i Zafy
(noho ny tsy fahaizany politika dia nofitahin’ny mpanao an-kafetsena
politika), tsy nanaiky hiala Ravalo, dia io i Andry mihizingizina io. Ny
fifanabeazana ao anaty antoko politika manko dia mampianatra ny
tsirairay hanaiky ny hevitry ny hafa fa tsy hanao hevitra bontolo sy
hitompo teny fantatra, na dia tsy mety aza. Ny faharoa dia momba ny
fianarana nataon’ny mpitondra : tsy misy na iray aza nianatra momba ny
politika izy ireo fa na miaramila (Ratsiraka) na dokotera  (Zafy) na tsy
nianatra mihintsy (Ravalo sy Andry). Nianatra ihany fa tsy tonga
lavitra, tsy manana akory mari-pahaizana amin’ny Oniversité. Samy ratsy
ny vokany fa ny tsy  nianatra mihintsy no tena ratsy ( Ravalo sy Andry
no tiana holazaina) satria rehefa tonga ny fotoanan’ny krizy dia
mivoraka ry zareo ary tsy mahay mifehy ny trangan-javatra miseho
mandritra ny krizy. Tsy manana fahatoniana fa entin’ny nahim-po dia
manao fanapahan-kevitra tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy afaka tena
mamakafaka ny olana misy sy ny vahaolana mifandraika amin’izany. Sarotra
ho azy ireo ny mamaha olana satria tsy hainy loatra, fa mihoatra
(mi-dépasser) azy ny « pour » sy ny « contre », ny tokony ho izy sy ny
tsy maintsy izorana. Ary raha mila hevitra amin’ny mpanolon-tsaina dia
tsy mahatakatra ny fandrika ao anatin’izany. Ny tena loza koa dia tena
tsy matoky n’iza n’iza ry zareo ireo satria mihevitra ny tenanay ho
mahay zavatra. Fanentanana no ataonay dia ny hoe rehefa misy
« fifidianana » dia aleo misafidy ny efa manana traik’efa politika fa
ireny na dia hanambaka antsika aza mba voafehy ara-politikan’ny antokony
efa niainany efa ela. Ny politisiana milaza tena ho « tsy miankina »
(indépendant) manko, na tiany na tsy tiany, dia voaterin’ny lalàna
politika misy hanana antoko rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Kanefa
tsy hisy dikany izany fa ny omaly tsy miova ihany : tsy manana « culture
politique ». Ankoatr’ireo dia manahirana koa ny mieritreritra fa ny
mpitondra rehetra teto dia nampifangaro ny tombotsoany sy ny
tombotsoan’ny firenena. Tsy hiresaka ny fitondrana tetezamita aho satria
hita fa mba miezaka hiala main’izany i Andry kanefa ny manodidina dia
te hihinana foana satria efa zatra an’izany. Nampifangaro ny fitondrana
ny firenena sy ny fianakaviany Ratsiraka ka na ny ROSO na ny Magasin M,
na ny SINPA, na ny KARENJY, na SOTEMA sy ny sisa (ireo no isan’ny
orin’asa malagasy nalaza tamin’ny fotoan’androny), dia ny
lafim-pianakaviana no mpitondra ambony tamin’ireny. I Zafy moa tsy
nahavita n’inon’inona mihintsy ka tsy hita hoe inona loatra no ratsy
nataony fa matoa izy nalaina teo dia ao raha. I Ravalo dia ireny
hitantsika ireny fa nampitombo harena no nataony tamin’ny alalan’ny
Magro, sy ny Super Marché goavana teto amin’ny tanana, izay marihina fa
efa teo amin’ny fotondrana izy vao tena niroborobo sy nisandrahaka ireny
rehetra ireny. Dia io hitantsika fa mbola mitohy io ny afera « bois de
rose » izay efa nifandovan-dry zareo mpitondra ary hita fa tena vola be.
Ireo no isan’ny aretina namono an’ity firenena ity ka tiana hotsaboina.
Tsy ny fanaovana ampamoaka etsy sy eroa na ny fifanalana baraka amin’ny
onja-peo no hanafoana izany fa, averiko indray, ny fiainana ao anaty
antoko politika 10 na 15 taona alohan’ny hitondrana sy ny fianarana
momba ny politika na farafaharatsiny fianarana ambony mikasika ny
fitondram-bahoaka sy ny fampiarana ny demokrasia. Raha tsy miezaka
amin’izany isika rehetra na ny hofidiana na ny mpifidy dia ho lasan’i
Maihol eo io fandehan-javatra io amin’ny 2013 ary efa tenin’izany. Ka
tsy aleo ve misoroka dieny izao…