Hosoniavina sa tsy hosoniavina?

 

Misafotofoto tsy misy andraisana azy intsony ny raharaha politika eto amintsika fa na ireo andrarezin’ny politika aza dia very sy valalanina. Hosoniavina sa tsy hosoniavina ? Toa hifandroritana be ihany ity fanaovan-tsonia ny « feuille de route » ity hatramin’izay naheno ny fisiany izay. Hifandroritana satria hatramin’izao dia toa io ihany no fantatra fa hahafoana ny krizy izay tena efa ela loatra. Ny krizy izay zary lasa efa fiainana andavanandron’ny vahoaka tsy mandady harona. Ny fanaovan-tsonia an’io « feuille de route » io manko, araka ny tokony ho izy dia ahazoantsika ny « reconnaissance internationale » voalohany ary hahafahantsika miroso amin’ny fifidianana faharoa. Ireo ihany no vaha-olana maha-rava ny krizy. Maharava ny krizy fa tsy hialana amin’ny krizy. Tsy hialana amin’ny krizy satria ireo mpanao politika sasantsasany dia tsy te hiala mihintsy amin’ny krizy satria mitaky zavatra hafa. Ny article 20 ao amin’ny « feuille de route » momba an-dRavalomanana indrindra no tena hizingizinin’dry zareo ireo. I Andry Rajoelina dia maika amin’ny fanaovan-tsonia fa tsy te hiandry intsony ny  SADEC. Ny SADEC dia ho avy eto Madagasikara amin’ny faha-11 ka hatramin’ny faha-17 n’ny volana Ho an’ny Pety Rakotonirina ao anatin’ny les A.S (Autres Sensibilités) araka ny tatitra nataony tamin’ny mpanao gazety tamin’ny herinandro teo dia nanamarika fa tsy hanao sonia ny « feuille de route » izy ireo raha tsy eo ny SADEC. EFa nifampiresahan-dry zareo tamin’ny Filohan’ny Tetezamita izany ary efa nanaiky ito farany. Nomarihina tamin’izany koa fa sy maintsy faritana amin’io fotoana fahatongavan’ny SADEC io ny fanovana atao amin’ny CENI, amin’ny rafi-pitondrana sadasada misy ankehitriny, ny fanamboarana, fanavaozana, fanatsarana ny lisim-pifidianana. Ho an’ny UDR sy ny Escopol kosa indray dia mitovy izany fa tsy sahala : samy te hanao sonia haingana ihany na i Andry sy ny eo amin’ny fitondrana na ny antoko politika ao amin’ny groupe des six izay misy ny les A.S : ny zava-dehibe dia vita ny sonia. Ka ho azy ireo dia ny fandresena lahatra ny ankolafy telo tsy mety manao sonia no nimasohany. Ao anatin’izany fandresen-dahatra izany izy ireo amin’izao fotoana izao.

Ao anatin’izany savorovoro sy sahotaka izany anefa dia misy ireo antoko politika manararaotra manamafy ny fisiany sy ny fahamatorany any amin’ny fototra. Isan’izany ny AME (Antoko Miombon’Ezaka) izay nanafatra « expert et consultant politique » mba hanao « évaluation » ny hery ananan’ny antoko. Manao fitsidiham-paritra (ny faritra 22) izy ireo amin’izany ary manadihady amin’izay alehany rehetra ny momba ny mpikambana AME, ny hery ananany, ny tombotsoany, ny fahalemeny. Ny tena tanjona dia ny hahafantaran’ny antoko AME hoe hanana herijika ho lany ve izy ireo raha misy ny fifidianana sa ho herim-po very maina ny tolona ataony. Mamakafaka ihany ko aizy ireo amin’izany ny hery ananan’ireo mpifaninana politika mety ho kandida amin’ny filoham-pirenena. Araka ny fantatra aloha hatreto, noho ny fanadihadihana nataon’io « Expert » io dia isan’ireo antoko tena manana fototra ny AME ary manana tetik’asam-piaraha-monina isan’ny tena tsara. Ny AME rahateo araka ny fanambaran’ny Filoha Nasionaliny Clément ZAFISOLO Ravalison dia efa niomana amin’izany hilatsaka ho filoham-pirenena izany hatramin’ny taona 2002. Tsy tokony ho sarotra ho an’ny AME ny fandresen-dahatra ny olona amin’ny fifidianana ny kandida atolony satria ny AME dia antoko-politika matotra ara-poto-kevitra, mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena mivantana, manana mpikambana amin’ny faritra 22 ary manana kandida depiote, ben’ny tanana, sefo fokontany maro, tsy mbola naloto teo amin’ny fitondrana. Mety ho fahalemen’ny AME ve anefa ny tsy fananany traikefa teo amin’ny fitodrana satria mbola tsy niditra tamin’izany izy na dia efa nantsoina in-droa ho ao amin’ny Governemanta aza ? Ny tohiny no avelao ampiseho amintsika ny zava-marina. 

Ny tsy azo afenina kosa aloha dia toa misahotaka koa ankehitriny ireo antoko politika lazaina fa matanjaka. Mivakivaky tsy fantatra isa intsony ny Arema ; miparitadritaka mifanipatsipaka etsy sy eroa koa ny TIM. Ny vondrona Escopol sy UDR dia vao nanao fanambarana tamin’ny fahitalavitra fa samy manana ny heviny ny tsirairay ka sarotra ny tsy hisarahana. 

Mpandinika