Koriam-penina...Orokao...

...OROKAO...

Vao nipaika
ny ora firavana dia nanao dia maika aho namonjy ny varavarana. Sady nisongona an’I Andry
aho no nanao veloma madinidinika hoe: “veloma ialahy dia mazotoa miasa dia amin’ny
alatsinainy aho mitantara amin’ialahy e 
!!!” “lasa ialahy rehefa tsy hitantara” hoy izy sady nitsiky vendrana
toy ny fanaony rehefa mananihany aho

Nanakana posiposy
aho noho ny hamehana. Teny ambony posy aho vao naka aina kely na dia
nivatravatra toy izany aza ny fidoboky ny foko.  Tsy nampihena ny fiakaran’ny marimpanam-batako
akory ilay tsiokan-dranomasina nifanena taminay. “Ajanony kely eto aloha roa
minitra” hoy aho “fa hividy zavatra kely ato aho”.  Nitsofoka tao amin’ilay trano fivarotan’ilay
vazaha aho dia tsy nihafahafa nanontany hoe aiza no ahitako ny divay ? Nojereko
daholo ireo karazan-divay tao ary dia tsy nihafahafa aho nividy ilay divay mena
efa folo taona mahery. Nony handoa vola aho dia tsy naharitra ilay teo amin’ny
fandoavam-bola fa niteny hoe “tsara be io divay nalainao io, io daholo no alain’ny
olona rehefa misy mariazy na fifamofoana” nitsiky aho ary nandoa vola no namaly
tsafa ilay mpivarotra: “haiko mihitsy hoe tsara io kah, fa ny vidiny koa tsara
an ! fa tsy maninona fa ho amin’ny andro miavaka mba mila zavatra miavaka koa e”
nihomehy ilay mpivarotra sady nanome ilay famerim-bolako “ mazotoa” hoy izy “dia
mampamangy any” . Tsikariny teny amin’ny endriko hoe ho an’iza ary ity zavatra
novidiako ity.

Niverina nandray
ilay posy aho dia nanohy ny dianay. Vao nihodina teo amin’ilay sampanan-dalana mankany
amin’ny Haingo aho dia efa hitako sahady izy velon-tsiky miandry ahy eo amin’ny
tohatra. “Elabe” hoy izy amin’ilay feony feno fidongiana kely. Tsy mbola
tafidina akory aho dia efa voaloany ny saran’ny posy ary dia notarihiny
an-kazakazaka aho hiakatra ilay tohatra. “Nitondra divay ilay tianao aho” hoy
aho ,tsy norarahiany akory anefa izany fa nosintoniny aho sady nakaratony ny
trano. “Tiako io divay io hoy izy fa ilay divaim-bavanao mbola mamiko kokoa”
sady nofihininy aho no norohany. Napetrako moramora ilay divay tena izy dia
nankiniko tamin’ny varavarana izy, sady nanamafy ilay hidin-trano aho no namaly
oroka azy koa.

Dia teo
aloha izahay nandritra ny fotoana tsy voafetra. Avy eo dia hoy izy “tsy andriko
mihitsy ilay androany ry foko fa mamelà ahy ianao raha tsy mahandry tantana aho”,
vao saika hiteny aho dia nampangininy tamin’ny oroka tsy lany hamamiana” notarihiny
hiakatra ny tohatra aho sady hoy izy “sao dia noana aloha ianao fa raha noana
ianao dia anamboarako sakafo” “tena noanabe mihitsy aho, ary raha izany
hanoanako izany no apariko dia tsy ho ampy ahy izay sakafo amboarinao ho ahy” “vary
sy laoka ange izany lazaiko izany e” “eny hoy aho laoka sy vary koa ange no
nolazaiko e “ niara-nitokelaka isika dia nosintoninao indray hamonjy ny
sisim-pandrianao. “raha tena noana ianao dia lazao ahy izay tianao hamokisako
anao” hoy ianao tamim-peo malefaka teo am-poto-tsofiko. Nihararetra ny lamosiko
iray manontolo. “noana anao aho ry malala hoy aho sady nokaikeriko malefaka ny
ravin-tsofinao” “andao ary isika hifampihinana hoy ianao ka ho hita eo izay
tena noana”

Novahanao tsimoramora
ny bokotry ny lobako, Nopiahiko tsimoramora ilay hidin’akanjonao ao aoriana.
Niaraka nianjera tamin’ny tany ny akanjo ambonintsika. Nokaikerinao sy
norangotinao ny tratrako mandra-panalako ny atin’akanjonao. “elabe hoy ianao
mantsy ahy, efa ela no niandrasako ny androany” norohako ny vavanao tsy hiteny
dia nolalaoviko ny laingon-tratranao efa nihanjaka sy tsy nahandry ny tanako
hikasika azy. Nazeranao teo am-pandriana aho no sady notaingenanao. “iza izao
isika no tena noana hoy ianao, ary iza no tsy mahandry tantana ?” novahanao ny
fehikiboko  dia nataonao sinto-mahery
nanaraka azy ny patalohako. Sady nisefosefo ianao no niantsampy teo amboniko
indray.

Tampoka teo
anefa naneno ny kiririokan’ny findainao. Nanao jery kiriko tany ianao, nefa
tonga saina tampoka sady niteny hoe , “oay leitia! I neny avy any Tana ity” “raiso
hoy aho fa sao dia maika, isika ange ka manana ny tolakandro sy ny alina manontolo
e .

Natehikao teo
an-tampon-koroko ilay orokao mamy dia mamy sady niresaka tamin-dreninao ianao …