Punch, ilay ragidro kely ao amin'ny Ichikawa City Zoo mambabo ny fon'izao tontolo izao

 

 

Volana vitsivitsy izay dia nihodina be teto amin’ireo tambazotra sosialy ny fiainana kelin’i Punch, ilay ragidro kely (macaque) nilaozan-dreniny vao enim-bolana monja kanefa koa dia ampijalian’ireto gidro vaventy mpiara-monina aminy ao amin’ny Ichikawa City Zoo any Japon.  

Amin’io taonany mbola bitika kely io ny “macaque” dia tena mila ny reniny sarangotina isaky ny mihetsika hanamafy ny hozany sy hakany hafanana.
Ka nony tsisy neny intsony izy, no sady nijaly nanaovan’iretsy be sandry azy dia voatery niafinafina sy nihafihafy. Hany heriny dia ireo mpiasan’ny “zoo” mpikarakara an-drizareo no nataony solon-dreny. Vao tonga ireto hamahana an-drizareo na hikarakara ny tokontany dia iny koa i Punch fa efa mitsambikina amin’ny ranjony ary tsy mijanona raha tsy eny an-tsorony.

Hanazarana azy hiverina tsimoramora anatin’ny tontolony dia nividianana gidro vorodamba teny amin’ny Ikea izy, dia iny no mba namenoany ny banga tamin’ny fiainany ka tsy navotsony intsony fa dia notaritaritiny eraky ny tokontany, niondakondanany sy nofimpihinina na dia lehibe noho izy aza.

Nambabo fo maro i Punch.

Kanefa,
andro vitsivitsy izay dia nanomboka niova i Punch na tsy avy dia hita taratra avy hatrany aza izany.
Nanomboka nanakaiky tsimoramora ireo ragidro lehibe mpiray monina aminy izy. Nitsaitsaika. Nihafihafy. Nitandritandrina.
Manara-maso mangina ary manaraka mora ny fihetsik’iretsy.
Indraindray izay ataon’ireo dia ataony amin’ilay ragidro kilalaony koa. Mahaontsa erý.
Amin’ireto karazana ragidro ireto koa moa dia ny ambaratongam-pahefana no zava-dehibe. Tsy azo mora ny fitokisana sy fifampitokisana.
Fa efa nanomboka tsy irery loatra intsony kosa i Punch.
Efa zava-dehibe izay.

Mihitsy aza, nahazo namana, nahazo mpiahy i Punch ao. Mamy erý.
Efa misy gidro lehibe iray tsy mamotsotra azy intsony fa manaraka azy eraky ny tokontany. Misintona azy tsy handeha lavitra. Mamihina azy. Mikarakara azy. Manadio azy.

Efa fandresena izay ho an’ity zaza niady irery hatry ny fahakeliny ity, ka voatery nitady fitiavana sy hafanana tamina kilalao sy tamin’olombelona rehefa tsy natoky intsony ny tontolony.
Efa fahasahiana goavana ilay nianatra nipetraka tsimoramora teo anivon’ny mpiara-monina.

Tsisy fanambarana be an-gazety momba ny fahasitranana fa tonga tsimoramora.
Mandroso kely iray na roa santimetatra eny. Fohifohy, ara-keviny fa tsy misy refy mazava.
Fanapahan-kevitra kely hanao dingana iray mankany aloha no averimberina sy havaozina ary hatsaraina isan’andro.

Izany no lesona azon’ny zanak’olombelona teo am-panarahana ny tantaran’i Punch sy ny fivoarany.

Isika manko mihevitra fa manetriketrika avy hatrany ny fiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny. Kanefa zavatra hafa no asehon’i Punch amintsika.
Hoe tsy ny fandosirana ny olana no hamahana azy fa ny fiatrehana azy.
Maka toerana mandinika ny zava-misy. Mamerimberina hatrany raha sendra tsy fahombiazana, raha mbola voailika. Indraindray apetraka mihitsy aloha ilay ragidro kilalao dia mandeha mitsapa kely raha mbola ratsy be toy ny omaly ny toe-draharaha na efa misy fihatsarana na dia bitika aza.

Voadona isika. Voailika ka narary toa an’i Punch.
Nifikirana avokoa izay sendra ny tànantsika, nifaharana sy niononana mba hamenoana ny banga, mba ho hazavana mitsilopy anaty haizina.
Nefa ireny dia vaha-olana tsy maharitra.
Mila miady isika, mila sahy miatrika, mila mamoaka loha atý ivelany fa tsy miafina foana ao anaty akora ao.

Na mbola tsy tafiditra tanteraka anatin’ny sehatry ny fiarahamonin’ireo ragidro anaty “zoo” aza aloha i Punch izao, dia efa mandinika sy mianatra moramora ny lalàna mifehy ilay tontolo. Dia manao dingana kely iray isan’andro.

Arakaraky ny handrosoana no tsy hahatsiarovan-tena ho irery intsony.
Efa Fandresena izay na tsy manakoako, na tsy ren’izao tontolo izao aza.

 

 

Rondro Volantsoa