Koriam-penina...Takarivatsika...

...TAKARIVATSIKA...

Ilay moka
adaladala nanaikitra anao no namoha antsika teo am-pifamihinana. “Amin’ny firy
izao” hoy ianao. “Vao amin’ny valo ora sy sasany” hoy aho tsy taitra akory namihina
anao. “adala isika !  raha nisy olona
tonga moa teo dia ahoana, ny varavarana  tsy mihidy, ny varavarankely misokatra daholo”
dia nitsangana ianao nanidy ireo karetsaky ny varavaran-kazo. Variana ery aho
manara-maso anao tao anaty aizina , na dia tsy nisy hazavana akory aza dia
hitan’ny masoko sy ny foko, ilay lonjehitrao manakatra ny hidin-trano. Nitsangana
aho nanantona anao  tsimoramora. Sady nihomehy
ianao no niteny hoe : “aleo aloha voahidy ny trano kah !” Nitsikiako ianao no sady
novaliko hoe “hanampy anao ange no nitsanganako fa tsy inona akory e, raha
zavatra hafa ve dia ho toy izao no fahitanao ahy” .

Sady nampiaka-pijery ianao
no nisafo ahy dia hoy indray ianao : “andao aloha hiakanjo dia hivoaka any
ivelany any hisakafo fa toa mbola raharaha be koa raha izao no mbola hahandro” “dia
ahoana izany ity latabatra efa voakarakara ity ?” hoy aho. “Avelao eo fa
rahampitso koa mbola andro. Fa andao isika aloha handro fa hainao ihany e” . Notantananao
indray  aho hiakatra ny tohatra,
novohainao ny efitrano fidiovana dia nosintoninao aho.  “aleo atao rano mangatsiaka fa raha rano
mafana vao maika elabe isika vao tafiala eto” “dia maninona raha elabe ? tsy
vao maika ve izany mamelombelona ” “ izaho marina tena noana e, raha izany
hanoanako izany tena laniko am-pitsanganana eto ianao” “hano ary aho e” “an an
kah, noana vary sy laoka fa rehefa voky indray aho dia aza matahotra ianao fa
atao fitia fozakely haniko hatramin’ny akorany, sa ataoko fitia hen’omby ?
laniko hatramin’ny tsokany !!!” sady natolotrao ahy ilay savony no nanohy
nanome ireo toro-lalana ho an’ny takarivantsika ianao. 

“Aleo izaho
no mikobana voalohany, dia avy eo ianao fa manjary taraiky isika, izaho mantsy
mbola somary elaela miomana” Sady nampiako ianao nikobana no nanararaotra ery
aho misafosafo izato hoditrao mandroatra savony” . alohan’ny handehananao  dia nomenao ahy ilay lamba famahoana mangamanga
sady hoy ianao hoe “novidiako manokana ho anao ity ka entiko manaraka ahy any ,
ary tsy sasaiko mihitsy fa hitehirizako ny fofonao sy ny hamamin’ny hoditrao” Dia
lasa ianao niakanjo.

Sady manidy
bokotra aho no mijery fitaratra; “Tena lalina ihany izany masoko izany” hoy aho
miteny irery sady mitsiky amiko. Toy ireny olona nahazo loka voalohany tamin’ireny
fifaninanana lehibe ireny ny fijeriko ny tenako eo anoloan’ny fitaratra. Namboariko
kely ny sangako dia niantso anao aho :”vita aho ry malala raha toa ka vonona ianao”
. “Ho avy o” hoy ianao. Sady niandry anao aho no nijery ireo sary nihantona teo
amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Taitra tampoka aho fa nisy sary hitako teo.
Sarin’i Tahina anadahin’I Hanta. Hanta ilay ankizivavy nampitselatra ny foko
voalohany tany am-pianarana. Lasa lavitra tampoka teo ny saiko sady nihomehy
aho. Iny ianao nidina ny tohatra feno tsiky sy miramirana aoka izany. “Fatratra
ery izato akanjonao ry tiako, fa ao amin’ilay loko tena itiavako azy mihitsy” “misaotra”
hoy ianao sady natolotrao ny tananao hotantanako. Nakaratoko moramora ny
varavarana dia lasa isika.

Nandeha namonjy
ilay fisakafoanantsika isika.Hitako faly ery ilay sinoavavy nahita antsika niara-niditra
sy nanondro antsika ilay toerana mahazatra antsika tery akaikin’ilay  vata fitaratra feno trondro. Ho avy aho hoy izy
haka izay ilainareo fa makà toerana. “Toy ny mahazatra” hoy aho, “sa misy
zavatra hafa tianao ?” “Toy ny mahazatra”  hoy ianao naka toerana.

Vao tafapetraka
isika dia nanontany aho : “havanareo angaha I Tahina , fa hitako ao ny sariny ?”
“fantatrao angaha izy, tsy havanay izy fa naman’ny anadahiko; angaha tsy
mampihomehy fa nisy anabaviny izay hoe Hanta nanaitaitra ny anadahiko dia I Tahina
no nataony namana, kanjo vao lasa mpinamana izy roalahy dia hoy I Hanta mantsy
azy hoe “ efa naman’ny anadahiko ianao dia heveriko ihany koa toy ny anadahiko
fa aleo isika tsy hifandala. Tsara tarehy izay Hanta izay an , voa mafy ihany
aloha ilay anadahiko tsy nahazo azy e. fa taiza no nahalalanao an’I Tahina ? ” .
“An an kah, I Hanta ihany koa no fantatro. Niara-nianatra izahay taloha, dia
anisan’ny ankizy nahay tao am-pianarana izy no anisan’ny ankizy notsiriritin’ny
tovolahy ihany koa”. “Ianao izany anisany ?” hoy ianao niangetsana kely mody
saro-piaro. “Eny hoy aho” sady nitsiky aho. “Voa mafy izany izy fa izaho izao
no eto sady tompon’ny fo no tompon’ny toerana, izany moa malalako o” sady
nosafoinao ny takolako.

Ireto ary
dia mazotoa homana hoy ilay tompon-trano. “misaotra tompoko” hoy izahay niara-niteny.
“Mazotoa homana ianao ry fitiavako”hoy aho. “Mazotoa homana ianao, dia manaova
voky tsara fa mbola ho lava ny alina” hoy ianao sady nodakanao kely ny
tongotro.

Poa toy
izay tokoa dia indreny isika  nivoaka ilay
trano fisakafoanana. “Andao handeha tongotra moramora manaraka ny ranomasina
hoy ianao; dia rehefa ery amin’ny farany ery isika mivily ankavanana, sady mba
mandevon-kanina kely e” . Nosakambiniko ianao  dia indreny isika roa nandeha tsy rototra
mifanena amin’ilay tsiokan-drivotra malefaky ny alina mifarana. Tsy nisy niteny
isika fa ny fitoboky ny onja no miombon-doboka amin’ny fontsika midobodoboka
sahady mieritreritra izay ho fiafaran’ny alina.