Manani-bohitra aty an-dafin-driaka ny 'Zazaniangarana' sy ny Hira Gasy tena izy.

Isan’ny hetsika lehibe sy hahaliana antsika mipetraka ao
an-drenivohitr’i  Frantsa sy ny firenena
manodidina ny fampisehoana ho ataon’ny tarika mpihira gasy “Zazaniangarana
amin’ny volana desambra io. Tarika tena tanora tokoa izy satria vao
tamin’ny volana aogositra 2014 no nitsanganany. Nefa dia mahavelombolo ireo
efa nahita azy, sy ireo nahita ny santionany fotsiny teny amin’ny haino aman-jery,
ny talentan’izy ireo.

Mahatsiaro tena ho niangarana tokoa mantsy izy folo mianadahy
ao anatin’ny tarika satria dia tanora mipetraka aty ivelany avokoa izy ireo, ao
Frantsa no marimarina kokoa, nefa dia manana fahafahana miditra lalina amin’ity
soatoavina iray ity. Misy moa ny teraka taty mihitsy. Ny valo amin’izy ireo
no tena miantsehatra, ampian’ireo mpitsoka mozika.

Ny fahatsapana ny hasarobidin’izay soatoavina malagasy izay
no nanentana azy ireo hanangana ny tarika satria mahatsiaro manana adidy izy ireo hampahafantatra
izany amin’ny mpiray tanindrazana monina aty an-dafin’ny riaka, sy ireo vahiny tompon-tany
na mpandalo ihany koa.

Na tsy mitorajofo toy ny eny ankalamanjana aza ny sehatra
dia mahafinaritra tokoa ny mahita ireto tanora eo amin’ny 20 sy 30 taona mahery
eo ho eo, mandredona sy mijidina mandihy arahin’ny amponga sy lokanga,
mitantara ny zavamisy na koa ny olana eo amin’ny firenentsika amin’ny alalan’ny
hira gasy.

Raha 60 taona ny ela nihetezana amin’izy ireo dia zanaka
mpanefy tsy ampideràna taim-by koa i Rok kely, mipitipitika aoka izany amin’ny
faha-12 taonany.
Dia mipetraka ihany ny fanontaniana hoe misy zanaka mpihira gasy ve
amin’izy ireo ? Tsia no valiny, fa i Faffa Andriamilantonirinason izay
mpitarika sy mpandrindra no efa niangaly mozika malagasy sy hira gasy
hatramizay ka nampita izany tamin’ireto tanora ireto.

Ka tsy ho halavaintsika angamba ny resaka.  "Tsy izay rehetra mena akory dia masaka avokoa", hoy ny teny filamatry ny tarika ka dia aleo ny
sandrin’izy ireo no hilaza azy amin’ny sabotsy 12 desambra ho avy izao ao amin’ny
8 ora sy sasany alina, ao amin’ny MAS Paris, 10 rue des Terres au Curé.
Asakasak’izay tsy ho tonga fa sady hisy vahiny tsy mena-mitaha ihany koa ho avy
hanotrona azy ireo amin’ity seho faharoa ity, raha toa ka i Emelyne, zanak’i
Ramilison Besigara no nanome voninahitra azy ireto tamin’ny taona lasa.

Taomy ny havana aman-tsakaiza, na Malagasy na vahiny, fa tsy
ranon’Ikopa ireo Zazaniangarana ka tonga namana vao ho mavomavo.

 

Raha te-hanaraka akaiky ny momba ny tarika dia tsidio ny takelaky ny mpankafy azy ao amin'ny tambazotra facebook : Zazaniangarana @ Facebook na araho ny siokamborokeliny : Zazaniangarana @ Twitter.

 

(Sary : Menakely Menabe, Patrick Razanatsimba - Peta-drindrina : akoory.com)