Mandria milamina, Sefo Nonoh.

Raiamandreny tena nitaiza, nanoro sy nananatra ianao, Sefo Nonoh, hany ka nahatsiaro tena ho kamboty tampoka aho nilaozanao tsy nisy serasera, tsy nisy ady varotra.

Toy ny vao  omaly no nifankahalalantsika roa taona lasa izay, noho ny fiarahana mikarakara ireo hetsika ataon'i Farakely. Nahafinaritra foana ny fanomanana indrindra tamin'ny fikarakarana ilay tany Antsirabe, izay tena nanamarika ahy. Olona tsotra, tia vazivazy kanefa nahay nampianatra anay ny anjara toerana maha-ray aman-dreny anao ianao.

Tsy teo amin'ny lafiny mozika fotsiny ny fifandraisantsika fa nihitatra ho lasa isam-pianakaviana koa ianao. Ary tamin'ny andro nampakarako an'i Fitiavana ho vady dia teo ianao, tsy hoe mpanakanto nanafana ny lanonana fa fianakaviana niara-nifaly sy nanome voninahitra iny andro lehibe taminay iny.

Tsy ho hadino mandrakizay ireo ambetin-teninao amiko matetika ary matokia fa tsy ho ataoko ambanin-javatra fa dia ho hampihariko tokoa.

Banga ny tontolo nilaozanao tampoka, misaona ny mozika satria lasa ny andrarezina, lasa ny tompony raha gitara beso no resahana. Akory atao fa manaiky izahay. Ny sanganasanao kosa tsy ho levona ary ianao dia hitoetra mandrakizay ao am-ponay.

Maro ny fahatsiarovana ny niarahana taminao ary isan'izany ity horonantsary niarahantsika nanatontosa teny Ambohimalaza tamin'ny taona 2018 ity.

"Tsy mitovy ratram-po mihitsy ny mandao sy ny ilaozana. Very aho very namana"... very zoky raiamandreny ihany koa.  

Misaotra tamin'izay rehetra nomenao. Mandria milamina, zoky. 
Fanajana be ho anao.

 

Herilalaniaina Giovani Moreno (alias Boaikely Moreno)

 

 

 

 

niarahana nanatontosa tamin'i Rondro Volantsoa