Maty i Nigel, ilay voron-dranomasina tokana an-tany.

Mampalahelo ny tantaran'i Nigel, fa maty irery toy ny naha-irery azy tao amin'ny Nosy Mana nandritra  ny dimy taona.

Ny nosy Mana, nosy tsisy mponina any Nouvelle Zélande, dia fonenan'ity karazam-borona ity 40 taona lasa izay saingy nony tonga ny karazam-biby hafa dia nitsoa-ponenana izy ireo. Niezaka nanamboatra sary vongan'izy ireo ny mpandinika manokana momba ny vorona : volony fotsifotsy, ny lohany mavo, misy somary matsora ary ny vavany mainty na volon-davenona. Mbola nampian'izy ireo fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro izay mampanakoako ny feon'ity karazam-borona ity ka nantenaina fa hisarika azy ireo hiverina indray hamonjy ity nosy ity izany rehetra izany.

Hafaliana tokoa ary tamin'ny taona 2015 raha nahita ny nahatongavan'i Nigel. Velona terý ny fanantenana fa raha voajono tamin'ilay ketrika i Nigel dia ho avy koa ny hafa. Saingy indrisy, nandeha ny andro sy ny volana fa dia Nigel irery no naniditsidina teny amin'ny harambato sy ny moron-dranomasina. Fanaony ihany koa  ny miara-mipetrapetraka amin'ireto sarim-borona. Ary nony farany dia raikim-pitia tamin'ny iray tamin'izy ireo mihitsy izy. Natombony tamin'ny siotsioka moramora teny aloha ny fambaboana, avy teo nitondrany ahitra sy tapatapa-kazo nanamboarany akanin'izy roa kely.

Saika hafa ihany ny fizotran'ny tantara satria tamin'ny iray volana lasa dia nisy vorona 3 nony farany, iray karazana aminy, tonga tao amin'ilay Nosy.

Saingy tokam-po i Nigel -  mahajamba tokoa ny fitiavana - ka tsy nivadika tamin'ny fitiavana ilay sarim-borona izy. Ary tamin'ny 31 janoary teo dia maty irery tao amin'ny akaniny, teo anilan'ilay tiany i Nigel.