Mbola teny an-tànan'ilay zaza ny fitaovana fanabeazana aizana nampiasain-dreniny : 'Resy i Mirena'.

 

 

Tonga soa etý an-tany i Dexter, zanak'i Lucy Hellein any Etazonia, ary mbola teny an-tànany ny fitaovana fanabeazana aizana nampiasain-dreniny, irony apetraka anaty tranon-jaza irony. Nahavariana ny sarin'ilay zaza nozarain-dreniny niaraka tamin'ny soratra hoe "Resy i Mirena" (Mirena ny marik'ilay fitaovana fanabeazana aizana). Marina fa fitaovana natao tsy hahabevohoka izy io saingy tsy voatery hahomby zato isan-jato. Tamin'ity tranga ity dia tafakisaka tao ambadiky ny ahitra ilay izy. 

Na dia tsy tanaty vinavinan'ny fianakaviana aza ny hiteraka dia tamin-kafaliana no nandraisana an'i Dexter kely.

Babo tamin' ilay sarin'i Dexter nozarain-dreniny ny tontolon'ny aterineto : ilay endriny miaraka amin'i "Mirena" eny an-tànana, toy ny miteny hoe "Izaho no naharesy".