Mitokona indray ny mpianatra ao amin'ny oniversité Toliara

Manomboka
miharatsy ny toe-draharaha ao Toliara ao, eny amin’ny oniversité eny
Maninday. Araka ny vaovao azonay dia migrevy ny mpianatra (nanomboka
omaly 28 jolay) avy any amin’ny faritra Atsimo (tandroy, tanalana, vezo,
tanosy, mahafaly, masikoro) iny noho ny fandroahana ireo namany tsy
hianatra intsony eny amin’ny Oniversité. Mpianatra roa no voalaza fa
voakasik’ity fandroahana ity rehefa avy nandalo Conseil de Discipline
(CoDis). Araka ny nampitaina taty aminay sy nanaovanay fanadihadihana
dia adin’ny samy mpianatra no niatombohany. Mpianatra tandroy roalahy no
niady tamin’ny mpianatra tavaratra vitsivitsy. Niezaka nandamina izany
ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny saingy tsy nety nivalona ny
raharaha. Samy tsy nanaiky ny roa tonta fa ny tavaratra nitory tamin’ny
filohan’ny CoDis ary ny tandroy niantso an’ireo namany miaramila
jeneraly handamina ny raharaha. Rehefa izany dia nitarika mpianatra ny
tandroy niaraka tamin’ny preziden’ny mpianatra eny amin’ny oniversité
(izay tanosy) mba tsy hanaiky ny fanampahan-kevitry ny CoDis. Satria ho
azy ireo dia nitanila ny CoDis fa i Mr Jaofera, izay ao amin’ny Codis
dia tavaratra ka niandany tamin’ny tavaratra fa tsy nijanona ho
mpampianatra fotsiny. Nohararaotin’ny mpianatra anefa io raharaha io mba
hitakian’izy ireo ny fandohavana ny bourse izay tokony ho efa naloha.
Fantatra ary fa raha vao nanomboka nizara bourse ny teny amin’ny
fizarana izany dia notapahin’ny mpianatra ary nangatahin’izy ireo ny
taratasy momba ny fizarana izany. Hitan’izy ireo tamin’izany fa tokony
homena bourse roa volana miaraka amin’ny «équipement » izy ireo, kanefa
tsy natao izany fa bourse iray volana ihany sy « équipement » no
nozaraina. Nanoloana izany dia tezitra izy ireo ka nalainy an-keriny
natao « otage » ny mpizara bourse miisa 4 tratran’izy ireo tamin’izany.
Notakiany koa ary nataon’izy ireo mazava tsara fa tokony hiala haingana
tsy mangataka andro ny filohan’ny oniversitén’i Toliara Ato Dina
Alphonse fa tsy mahavaha ny olan’ny oniversité no sady manao afera be
loatra. Nolazain’ny mpianatra manko fa manao « abus » ny filohan’ny
oniversité, tsy misy izany franchise universitaire dradradraina izany,
ny tanin’ny oniversité sy ny vola dia ahodikodin’io filohan’ny
oniversité io sy ny namany, toy izany koa ny bourse. Marihina ihany koa
fa efa nisy fotoana namoahan’ny mpianatra « tracte » manompa sy miteny
ratsy ny mpitondran’ny oniversité manontolo tao Toliara tamin’ny fotoana
nitakian’ny mpianatra ny hanamboarana WC ho azy ireo. WC izay efa vita
fa tsy mbola ampiasaina hatramin’izao satria takian’ny mpianatra ny
mangarahara tamin’ny nanamboarana izany sy ny tsy maintsy hitokanana
izany alohan’ny hanaovan’izy ireo maloto ao.

Niresaka
tamin’ny Ato Praiministra koa ireto tanora ireto ary tamin’izany no
nahafantarana araka  ny filazan’izy ireo fa hihamafy ny grevy manomboka
androany satria araka ny voalazan’ny Praiministra dia tsy maintsy hatao
mafy tahaka ireny natao tamin’ny andron-dRavalomanana ireny vao ho afaka
hiala amin’ny toerany io filohan’ny oniversitén’i Toliara io. Marihina
fa mpitondra ambony ao amin’ny tetezamita ary isan’ireo fito mianadahy
candidats tamin’ny fitadiavana Praiministra farany teo ny vadin’ny
filohan’ny Oniversité Mme Dina Jeanne.

Mipetraka
ary ny fanontaniana hoe : misy ambadika sy kajikajy politika indray ve
izany, sa misy te hanararaotra hampiditra indray ny resaka adim-poko ?
Tsara ihany ny hahafatarantsika fa niainga tamin’ny mpianatra avokoa ny
grevy teny niorom-paka teto Madagasikara na dia misy amin’ireo grevy
ireo aza tena politika rano fotsiny.

Fantatra izao fa mitokona ihany koa ny mpianatra 4ème
année n’ny oniversitén’Antananarivo izay mitaky ny andohavana ny
boursen’izy ireo. Tsara tokoa aloha ny hanamrihana fa tsy misy na iray
aza oniversité eto Madagasikara manome « bourse de recherche » na
« indemnité de rechercher » ho an’ny mpianatra mamita fianarana
manomboka amin’ny Maîtrise, D.E.A, Doctorat.

Nangonin’i ‘Najaris.