Mahafinaritra mihitsy anie io facebook io rehefa tsy natao hifanasana vangy sy ifanenjehana e ! Azo atao tsara koa ny miditra amin'ny fiainan'ny biby, mitsikilo an-drizareo amin'ny "birdcam" na amin'ny fakantsary fandrika (caméra piège).
Misy ny mampalahelo, indrindra noho ny ataon’ny zanak’olombelona. Misy koa ny mahafinaritra, toa ny tantaran'ity vanobe fotsy (cigogne) iray teraka tany atsimon'i Italie, nomena ny anarana hoe Danilo ity.
Fotoana fanatodizana sy fikotrehan’ny vorona izao ka maro ireo fakan-tsary napetraka hanaraha-maso sy handinihana ary hianarana ny fiainan'izy ireny.
Vanobe fotsy “teraka” tamin’ny herintaona tany Piana di Sibari (Calabria - Italia) izy – PA731 no nomeraony rehefa nasiana peratra misy GPS ny tongony. Fa nomena azy ny anarana Danilo ho fanomezam-boninahitra an’i Danilo Mainardi, manam-pahaizana mpandinika manokana momba ny fiainan’ny biby, na ireo tezaina sy ompiana na ireo anaty natiora (éthologue), sady filohan’ny “Fikambanana Italianina ho an’ny Fiarovana ny Vorona”, izay efa nodimandry.
- Feno 50 andro izy tamin’ny 30 mey 2025 no nasiana ilay peratra ary nony feno 68 andro izy ka nahay nanidina dia niala tao amin’ny “akaniny”: Kanefa tsy nandeha lavitra fa teo amin’ny manodidina teo ihany.
- Ny 19 jolay 2025 izy no lasa niampita ny andilan-dranomasin’i Messina izay manasaraka an’i Sicilia amin’i Calabria. Dia nijanona tao Sicilia iray volana.
- Ny 16 aogositra 2025 izy no niainga teo Marsala (faritr’i Sicilia any andrefana indrindra) nisidina nankany Tunisie.
Notohizany hatrany Sahel sy ny Tany Efitr’i Sahara iny ny diany.
Nandritra ny enim-bolana dia nivezivezy tamin’iny faritr’i Tchad, Nigeria, Cameroun sy ny Repoblikan’i Afrika Afovoany iny i Danilo.

- Tamin’ny 11 martsa 2026 teo dia nanome vaovao rizareo ao amin’ny "Fikambanana Italianina ho an’ny Fiarovana ny Vorona" ao Calabria fa toa ohatran’ny miomankomana hitodi-doha mianavaratra i Danilo satria efa andro vitsivitsy talohan’io izy no tao Algérie. Dia nihainohaino tao amin’ny morontsirak’i Afrika avaratra tao izy aloha raha noheverina hoe mety hiampita ny Lakan-dranon’i Sicilia.
- Tamin’ny 3 mey teo tamin’izay dia tapa-kevitra ny anao lahy hiatrika ny ranomasina 150 km mahery, manasaraka an'i Cap Bon ao Tunisie sy i Mazara del Vallo ao Sicilia, tanàna tsy lavitra an’i Marsala ilay niaingany nankany Afrika.
- Ary dia marina ny tombatombana fa tena niverina namonjy ny akaniny i Danilo satria tamin'ny alatsinainy 4 mey teo izy dia niampita tokoa ny andilan-dranon’i Messina nankany Calabria, mifanohitra amin'ilay sidina nataony tamin'ny nankany Afrika.
Mety ho tafaraka tamin’ireo andiana vanobe fotsy, narahan’ireo mpiandraikitra maso, nisidina io andilan-drano io tamin’ny 9 ora sy sasany maraina izy tamin'io andro io satria nanambara ny GPS-ny fa efa tao Tarsia, tsy lavitra an’i Piana di Sibari izy tamin’ny 2 ora latsaka folo tolakandro.
- Ary tamin’ny 5 ora latsaka folo izy efa niriorio tany amin'ny 8 km tsy lavitra an'i Piana di Sibari, tanàna nahavakisan’ny akorany sy niaranany nikopak'elatra.

Vao herintaona monja i Danilo no nahavita izay 9000 km nandroso sy niverina izay, niampy ireo lanitr’i Afrika nisidinany tanatin’ny fotoana nijanonany tany. Ny herin'ny natiora !
Hoy ilay hiran'i Rija Oelijaona izay hoe "vorona aza moa mahalala mody..." ♫♫♪
Mamy ny mody. Inay aho mba nanan'elatra.